Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|197C6B46-BB71-4836-A11E-EC2505FA2B97
2
Ary nisy nilaza tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin'ny Zanak'Isiraely tonga aty izao alina izao hisafo ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B32CEA8-2DCE-4057-B3A1-FDCDE54907FC
3
Dia naniraka tao amin'i Rahaba ny mpanjakan'i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBA17B83-0E09-4BC8-A737-493FDB66FCFE
4
Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny, ary hoy izy: Tonga taty amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48DD9A3C-9386-4D17-9096-53600349D73D
5
ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9545543-D19A-486A-88A3-D74E0C689CE7
6
Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin'ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin'ny tampon-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|089177B9-4F12-4258-A430-0B098BAD643D
7
Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin'ny làlana mankany Jordana hatrany amin'ny fitana; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63F27D4D-942B-4F4C-A6A5-1CBCE149925B
8
Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampon-trano ravehivavy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAE603AF-79A8-4E5C-AED1-1F2E6242A895
9
ka nanao hoe: Fantatro fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FD0F430-B583-42E2-A28A-45D102614D35
10
Fa efa renay ny nanamainan'i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin'ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6A71505-51FB-4A8D-A9D2-738CBC4ACFC7
11
Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra amin'ny lanitra ambony sy ety amin'ny tany ambany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23BFE282-3C47-49CA-84C3-A3A4711C1303
12
Koa ankehitriny, masìna hianareo, mba ianiano amin'i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A924A6C-3EC3-4B7D-B126-28E538AA8F7A
13
fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA36FD7F-84A8-4D9A-AF10-043BB38CDEB9
14
Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DED366A8-9203-42AA-8060-055FF5AEAB44
15
Dia nampidina azy tamin'ny mahazaka avy teo amin'ny varavarankely izy; fa teo amin'ny màndan'ny tanàna ny tranony, ary teo amin'ny mànda no nitoerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05C3D32B-243F-4EF5-9279-8E0E907DD758
16
Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao mifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin'izay halehanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F25D87A-6CD2-4F86-8F13-3E5A1C7D5F99
17
Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin'izany fianianana nampianianinao anay izany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27CA114B-578F-4483-A99F-74AE66D06A46
18
Indro, rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia hafehinao eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC13DBD7-D637-425A-9260-4B0DCA18A680
19
ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran'ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny rany, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny rany, raha tahìny misy olona maninona azy akory;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8CFF266-A1FB-46B9-98A6-AAAD784E4CA5
20
fa raha tahìny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin'ny fianianana izay nampianianinao anay izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70B22165-A5E7-4383-BDBE-312C856BA8E8
21
Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin'ny varavarankeliny ilay kofehy jaky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A1514AA-E99A-4953-BE72-5589A4D314D6
22
Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin'ny mpanenjika; ary nitady azy tamin'ny làlana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64E43BE2-41D7-47E4-9C68-9A50D8DB5FC0
23
Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra; dia nita ny ony ary nankany amin'i Josoa, zanak'i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18174A8D-C558-40E1-9872-C8AB75465424
24
ka hoy izy tamin'i Josoa: Efa natolotr'i Jehovah eo an-tànantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24226C6B-BB27-4CBC-B099-BB68FEA4C37B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany