Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany dia nantsoin'i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|758B32EB-F287-44E6-AB67-88004AE64DF2
2
ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin'izay rehetra nandidiako anareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A14213E-07E2-41C3-8491-BD4F55C95CA0
3
tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin'izany andro maro izany ka mandraka andro-any, fa notandremanareo ny lalàna nasain'i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|234A31AF-9C9D-4A6A-BDCB-264A926EF8E8
4
Ary ankehitriny, dia efa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin'ny lainareo avy, ho any amin'ny taninareo, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo any an-dafin'i Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAAFEDEC-17CD-4188-8D8B-4403189B666F
5
Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny làlany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1923ADE9-88E2-4EC2-AC08-8B02B7F57218
6
Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin'ny lainy avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC05852E-8D34-4B2A-9AC7-E94ED069DEF9
7
Ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nomen'i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen'i Josoa teo amin'ny rahalahiny ety an-dafy andrefan'i Jordana. Ary raha nampodin'i Josoa ho any amin'ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E222044-4B96-4A99-882B-3112CCE54741
8
ka nilazany hoe: Modia ho any amin'ny lainareo avy hianareo, mitondra harena be sy omby aman-ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F4D55C3-169E-4156-8E9C-51FF3E95431E
9
Dia nody ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nandao ny Zanak'Isiraely tao Silo, izay ao amin'ny tany Kanana, hankany amin'ny tany Gileada ho any amin'ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin'i Jehovah nasainy nolazain'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA27B45F-308B-4A9A-8D8C-F38FFF27DFD9
10
Ary raha tonga eo amoron'i Jordana eo amin'ny tany Kanana ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe no fijery izany alitara izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C4CF657-6A2A-4B7D-BD48-ED0BACC78AF7
11
Ary ny Zanak'Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nanorina alitara an-tsisin'ny tany Kanana, eo amoron'i Jordana, anatin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F59A9950-036F-47C2-A76C-8465DA7CA542
12
Ary nony ren'ny Zanak'Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|529D302D-EE14-45A8-92DE-5146E52C2E56
13
Dia naniraka an'i Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, ny Zanak'Isiraely ho any amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, any amin'ny tany Gileada,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27565DFD-F74D-4521-9465-926975762FAF
14
sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin'ny Isiraely rehetra: samy lohan'ny fianakaviany tamin'ny arivon'ny Isiraely ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F012FCC4-8906-45C2-89AF-1348AE0378CE
15
Dia tonga tany amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase tany amin'ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7008C36-8D44-4ACB-8513-1DA04492A7D8
16
Izao no lazain'ny fiangonan'i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin'ny Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah hianareo andro-any tamin'ny nanorenanareo alitara ka miodina amin'i Jehovah ankehitriny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C85DAC6-8B32-49EF-9E61-CEF9FB38CD76
17
Zavatra kely loatra amintsika va ilay helok'i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin'izany mandraka andro-any, na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin'ny fiangonan'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A8D683E-6BF6-4F24-880F-C8152764D2F9
18
no dia mihodina miala amin'ny fanarahana an'i Jehovah hianareo anio? Raha miodina amin'i Jehovah hianareo anio, dia ho tezitra amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96E4F987-B05C-4868-95B1-E7154FF61557
19
Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin'ny tanin'i Jehovah, izay itoeran'ny tabernakelin'i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin'i Jehovah, na miodina aminay, amin'ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B259028-9043-485B-92B4-DBDD53B9E54F
20
Tsy nandika ny didy va Akana, zanak'i Zera, tamin'ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin'izany helony izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0221750F-5EEC-417C-A6AE-BDD5B3035B09
21
Dia namaly ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nanao tamin'ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8F957B8-85AD-40D7-98B0-FE87817F9794
22
Andrimanitra Andriananahary, dia Jehovah--eny, Andrimanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin'i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),--
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19424E57-8951-4CBD-A7F0-0376620070B5
23
raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin'ny fanarahana an'i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana, eo amboniny, dia aoka Jehovah no hanadina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE05C648-0484-42F6-9392-3A759A65D1B4
24
fa tahotra tokoa no anton'ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory hianareo sy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41E6B8BB-1143-4072-9515-7B6BBE24303C
25
fa Jordana no nataon'i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak'i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin'i Jehovah hianareo; ka dia hampitsaharan'ny taranakareo tsy hatahotra an'i Jehovah ny taranakay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35F51799-E22B-41A8-A748-6998BCB5EF83
26
Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa, na fanatitra hafa alatsa-dra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5A9978F-67F4-4DCD-A2A2-8DA5ADC5D4BC
27
fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an'i Jehovah eo anatrehany amin'ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanati-pihavanana mba tsy holazain'ny taranakareo amin'ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin'i Jehovah hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D4787DB-C295-43A6-8220-05035550AA40
28
Ary hoy izahay: Raha tàhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran'i Jehovah, izay nataon'ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-dra, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFF68987-00C3-4982-9A12-D92B94D0D2C3
29
Sanatria aminay raha hiodina amin'i Jehovah ka hiala anio amin'ny fanarahana an'i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-dra, afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan'ny tabernakeliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF7C0ECB-73F0-40BE-8316-ED7CFB2E2DFE
30
Ary rehefa ren'i Finehasa mpisorona sy ny lohan'ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase, dia sitrany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D442AD78-FAAB-46EB-8B90-89CDC99FE7B9
31
Ary hoy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, tamin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin'i Jehovah hianareo; ary amin'izany dia efa namonjy ny Zanak'Isiraely tamin'ny tànan'i Jehovah hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6356C293-B991-4CA5-8041-9A1B44CC86B1
32
Ary Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak'i Robena sy Gada tany amin'ny tany Gileada ka nankany amin'ny tany Kanana ho any amin'ny Zanak'Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F720EDFB-24C5-451F-A0E4-A3B307BE60CC
33
Ary sitraky ny Zanak'Isiraely izany, dia nisaotra an'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan'ny taranak'i Robena sy Gada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5FA7707-FDC1-4E4D-AE47-BA72FBD6F040
34
Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara--fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2848C2A6-E798-42A5-9DCB-678174EC102A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany