Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8778C8E9-514B-455D-982D-365BD8C513F6
2
Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|679A95E7-C338-4847-A656-70E177B236CC
3
ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin'izay itoeranareo, ka manaraha azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF56232A-203D-4BFD-8A0F-EEE6FDC050A2
4
(kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny làlana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao làlana izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB534688-F6DD-4E61-A2C3-89A22EE0D532
5
Ary hoy Josoa tamin'ny olona: Manamasìna ny tenanareo; fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|899819E0-05B7-45A9-8AD2-D1BA6F757FA8
6
Ary niteny tamin'ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka mità eo anoloan'ny olona. Dia nitondra ny fiaran'ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6B1942D-56F3-43DB-BA27-2E3C3CFC5BDA
7
Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason'ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEEAC25B-EA4A-48A5-93A8-F04F00EEDDA5
8
Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin'ny moron'i Jordana hianareo, dia mijanôna eo Jordana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|607B5862-7324-4546-BE22-F12620C5BC61
9
Ary Josoa nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mankanesa aty, ka mihainoa ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29277F36-9509-4E44-B110-CEE847F8DF18
10
Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo anoloanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|912BF588-191C-47BC-B249-56828CB90E6B
11
Indro, ny fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F842DA-2832-4C34-A946-E4B64DE8421B
12
koa ankehitriny, mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny firenen'Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79A2FE86-AB2A-44F9-9991-69CEE765D834
13
ary raha vao mijanona eo amin'ny rano Jordana ny faladian'ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E99BF9C8-13FF-41B4-BA7B-94F4F18E5C10
14
Ary raha niala tamin'ny lainy hita an'i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena eo alohan'ny olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B73C7DC-B34B-4BB4-8A8F-3DE7079933BD
15
ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin'ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3447AE9E-B6EB-4ACE-80EF-38B381E054DF
16
dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra tery lavitra ery, dia tery amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE45CE7F-5C94-47C2-963A-91231E9E3AD9
17
Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1967267A-C938-44B2-A32E-F1F8B1F15686
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany