Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nihidy mafy Jeriko tamin'izany noho ny Zanak'Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7668262-A5E1-417C-ADBD-219EC0C62D13
2
Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tànanao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin'ny lehilahy mahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B34774E7-1608-429E-87EA-C7E78BE94562
3
Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha hianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34721BFF-A196-4DED-B71A-A7D1B57F692D
4
Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiara; ary amin'ny andro fahafito dia hodidino im-pito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3923FF50-5A1F-4FCE-9D77-96F435D08B31
5
Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; dia hirodana amin'izay ny màndan'ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin'izay hitsiny avy ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE3A4730-1337-47E2-8505-EE8F00280A91
6
Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak'i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11618C8E-17EB-4FF1-A30E-3AD95A119168
7
Dia hoy izy tamin'ny vahoaka: Mandehana, ka manodidìna ny tanàna, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C8B4D1C-85D9-47EC-AD5C-18E4C89CC03D
8
Ary rehefa niteny tamin'ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nanaraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9683128E-6F25-4585-A76F-F525743818AC
9
Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan'ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodilàlana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1EDE17C-A334-487C-913F-D07279DB6C26
10
Ary ny vahoaka efa noraran'i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan'ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakorà! dia vao amin'izay hianareo no hanakora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|759065DE-546C-4B8A-B5E2-027E2103DC6C
11
Ary nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran'i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E052E41-39B1-44C6-8546-2A12C8370520
12
Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ABD3FE4-23BA-4B8D-80E8-94756A32A974
13
Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'ny fiaran'i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodilàlana kosa dia nanaraka ny fiaran'i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|450DA7EA-9359-4492-B795-9132AA5DB2C8
14
Dia nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin'ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B70F6B5-BBC3-4F0F-903D-F23BF64AC7CC
15
Ary tamin'ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro, ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, -- nefa tamin'izany andro izany ihany no nanodidina ny tanàna impito izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7414909C-F364-4E7B-AD8B-A97A9DC33F2F
16
Ary tamin'ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6E88BCD-2189-441B-A2E8-B574E9E02030
17
Dia hatolotra ho an'i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3C70C51-A469-4240-B3D8-77BA6ED17954
18
Kanefa mitandrema kosa hianareo ny amin'ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona hianareo, nefa maka amin'ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin'ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCCE6A67-BFA2-49D1-A6BD-A4A155AE4CB2
19
Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masina ho an'i Jehovah; hatao ao amin'ny rakitr'i Jehovah izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE5392AB-0F10-4C80-8160-236956DF5E0A
20
Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny mànda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26E246F5-971A-4EFD-9EE3-D8FDD2780967
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany