Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay ety an-dafin'i Jordana, na ny tany amin'ny tany havoana, na ny tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tany amin'ny Ranomasina Lehibe tandrifin'i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|401EBBFD-9533-4D38-88F6-45173DF68D5C
2
dia niray hina niangona hiady amin'i Josoa sy ny Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D4AF34D-22B7-42BB-8416-6ABB13BDF641
3
Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan'i Josoa an'i Jeriko sy Ay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29D19874-1ECC-4DC8-A190-E8426B8394D8
4
dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta ka nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43615E58-639A-425E-9410-67648AE64180
5
ary kapa tonta sady nitampitampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE1897FC-B9EA-4818-ADC2-344B31230315
6
Dia nankany amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9438D1DE-1151-426A-8807-D31BB5A8E75A
7
Ary hoy ny Isiraelita tamin'ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany hianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|976F01EC-E305-4E41-B764-DD0A0D1D89F2
8
Fa hoy izy tamin'i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa hianareo, ary avy aiza?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40FEB4BC-2FD7-4CEF-AC82-86448A550F68
9
Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F64E607-D29A-48A1-B64E-408049FD9B44
10
ary izay rehetra nataony tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany Astarta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|982A75FB-9613-47F0-8E00-5B05F7268A07
11
Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tànanareo ho any amin'izay haleha, dia mandehana mitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D59EDC6F-B638-49EB-9CDB-D05ECEDEE9E9
12
Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin'ny andro nivoahanay hankaty aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27E36CA6-927C-4AD6-A1A2-67BD488A0E11
13
ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izy nofenoina; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28E03EA5-83C9-45B6-A34F-B0FCACC2ACFA
14
Ary nangalan'ny olona ny vatsin'ireo, nefa tsy nanontany tamin'ny vavan'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3532AC96-E93E-4875-9E39-95CD605ACDA4
15
Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan'ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A70B443-1816-4195-8EC9-A5071D9F440F
16
Ary nony efa afaka hateloana no nanaovany fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy ihany ireo sady mitoetra eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19D370DD-F2AA-43F3-A569-06F2F34376D7
17
Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka tonga tany an-tanànan'ireo tamin'ny andro fahatelo. Ary Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-Jearima no tanànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52BEAB17-F879-4960-A387-4D7A4022B989
18
Fa tsy namely azy ny Zanak'Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan'ny lohan'ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin'ireo loholona ny fiangonana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|490471CD-AE1F-41B5-AAA9-9C935848BC07
19
Fa hoy ny loholona rehetra tamin'ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|232B4C79-39D2-4C6A-A849-C45E9937F4F6
20
Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D34583A0-0830-45DD-A2D6-282B8763E5A2
21
Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon'ny loholona taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5C1FEB6-542A-46BD-9D3B-8DBD42CC579D
22
Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay hianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C86A258-9970-4844-B327-AF2CE86D9744
23
Koa ankehitriny voaozona hianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8229DF9B-9349-4966-8493-39122ADB6751
24
Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an'i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin'ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|595ECA8A-788C-418B-A4F1-01AA15710778
25
koa ankehitriny, indreto, eo an-tànanao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8226C0B0-19CB-42C2-B812-9892D9258B21
26
Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin'ny tànan'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hahafaty azy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60A57505-7D49-4AC7-8A85-108DD255CBD7
27
Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka andro-any, eo amin'ny tany izay hofidiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4A97C7E-48B6-4765-8A6E-24AF57FFD1A6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany