Mpitsara 1: 1-36

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny Kananita ho anay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|477DC360-0E1B-43B5-909A-F4158C6FC8F8
2
Dia hoy Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-tànany Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E222B3E4-5DAB-471C-B25D-29AE1E3E9C9F
3
Ary hoy Joda tamin'i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko hianao ho any amin'ny lovako, ka aoka isika hiady amin'ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin'ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA0649E6-68A4-4E84-9348-0EABB9AEAE67
4
Dia niakatra Joda, ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DE8D042-8E6D-4507-891F-53E8DB2C4DA7
5
Ary nahita an'i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D61B8DC-B1CE-4175-960C-3ED6E03357C5
6
Nefa nandositra Adoni-bezeka; ary nanenjika azy izy ireo ka nisambotra azy, dia nanapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C499135-B6F3-471E-93D3-4039D3D57F4D
7
Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin'ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin'Andriamanitra ahy! Ary nentin'ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CA0EB98-C60A-408C-8C4A-359E234F1270
8
Ary namely an'i Jerosalema ny taranak'i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1BBA1FB-55F4-4AE6-A1B7-D2555EC297E4
9
Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak'i Joda hiady amin'ny Kananita izay nonina tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny tany atsimo ary tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61FFB7F7-598F-4C92-8304-A7931330541E
10
Dia nandeha Joda hiady amin'ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i Hebrona taloha), ka namono an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E569CC99-754F-4873-8BCE-CC7F125D1A58
11
Dia niala tao izy ka nandeha hiady amin'ny mponina any Debira (Kiriat-sefera no anaran'i Debira taloha).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F917B10-6A08-47BB-9C0D-CB9DD1F956C8
12
Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriat-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B3B30A4-FF3F-47B5-AD1E-1574A25F0C49
13
Ary Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zanani-vavy ho vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|139C1DDB-4177-487C-8C2C-2756FA0D456E
14
Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no ilainao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD79FBBE-D217-4FED-9104-F665E990D3A4
15
Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E5394B7-38FD-40D2-80BC-4082225705DF
16
Ary ny taranak'ilay Kenita, zaodahin'i Mosesy, dia niara-niakatra tamin'ny taranak'i Joda niala tao amin'ny tanàna be rofia hankany an-efitr'i Joda, atsimon'i Arada; nandeha ireo ka nonina teo amin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96F01121-C2D9-4648-86B3-24B47FB1DF2B
17
Ary Joda nandeha niaraka tamin'i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana ireo, ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Horma.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4367F8DB-8DCD-483D-A828-742668EE8A17
18
Dia afak'i Joda Gaza sy ny sisin-taniny ary Akselona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12FB3CB3-B872-4480-9137-8BB8228450DC
19
Ary Jehovah nomba an'i Joda, ka dia azony ny tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina teny amin'ny tany lemaka izy, satria nanana kalesy vy ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B84905E9-9E23-4B11-930A-64636012BC2A
20
Ary Hebrona dia nomeny an'i Kaleba, araka izay efa nolazain'i Mosesy, ka noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92D89992-BA29-4285-9ADE-FD62A4CB1E83
21
Ary ny taranak'i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin'ny taranak'i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBE9ED3D-5BFF-40E7-83C5-3C17AD9316E6
22
Ary ny taranak'i Josefa dia niakatra koa hamely an'i Betela; ary Jehovah nomba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B985900-496C-4E78-8F10-7EED3E8CCF27
23
Dia naniraka hisafo an'i Betela ny taranak'i Josefa (Lozy no anaran'ny tanàna taloha);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3215782-B592-4389-A78B-D6BAC9791808
24
ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18ABDD0D-957E-409D-8ACC-7094EBBF6FE9
25
Dia natoron-dralehilahy azy ny fidirana mankao an-tanàna, ka dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny tanàna, fa ralehilahy mbamin'ny mpianakaviny rehetra dia navelany handeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17B6BAAC-0825-4B37-AFDA-07261D2B3B1E
26
Ary nandeha ho any amin'ny tanin'ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA477D0A-361C-49EA-BC28-F690F3DD5330
27
Ary Manase tsy nahafaka an'i Beti-sana sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1250159C-4D31-4BCA-BDE5-BD0DA5C1C9B3
28
Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita, fa tsy nandroaka azy rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF259FA1-7123-4043-9A64-00DF63DC2665
29
Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita, izay nonina tao Gazera; fa nonina teo aminy tao Gazera ny Kananita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F92BC4D-781A-43F1-A65B-418682E48408
30
Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37457602-D998-4641-BC87-B08538517200
31
Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika, na ny tany Rehoba;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D6B9755-B5C2-4989-B213-616956038ACF
32
fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany ny taranak'i Asera, fa tsy nandroaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB612312-9A80-46C4-8FFE-78F04B6B131C
33
Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy Bet-anata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|866F023D-42CB-4E8A-897F-F099DE508BFC
34
Ary ny Amorita nanesika ny taranak'i Dana ho any amin'ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina any amin'ny tany lemaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|618CAF05-F5FB-4D3A-BCBE-5B4180D31A92
35
fa tian'ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tànan'ny taranak'i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C905C261-6E00-4EF1-BCA7-ECE5004FA26C
36
Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7843E518-3304-45EE-8E06-95B17CDEC054
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany