Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary taorian'i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy tamin'Isakara; ary mponina tao Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|578E3634-C975-43AF-8EAF-19E66B52F3B6
2
Ary ny nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEC616C1-80DF-47DE-B8B3-5477D8F49120
3
Ary nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC9F691B-73E8-4704-9DE9-E2CE42F90985
4
Ary nanana zanakalahy telo-polo izany nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin'ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0645B84A-5EE7-4B1F-9BEB-D1330D9FE90D
5
Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80A7E883-37B7-42D2-8BAD-FC37861F1B1C
6
Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr'i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak'i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an'i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B6C438E-EC82-4CE1-9874-04D537EF6046
7
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'ny Filistina sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0CA5098-220B-4F62-98C1-B8A5AB727411
8
Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak'Isiraely ireo tamin'izany taona izany: valo ambin'ny folo taona no nampahoriany ny Zanak'Isiraely rehetra, izay tany an-dafin'i Jordana, tany amin'ny tanin'ny Amorita any Gileada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9B2499C-5BCA-4F17-BCF4-2A2FC67A2F7F
9
Ary nita an'i Jordana ny taranak'i Amona mba hiady koa amin'ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak'i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F004525-A160-4E43-AA7F-67172A0A8EFE
10
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an'Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E85937FF-7659-4EEB-9AD6-502DAC0111D3
11
Ary hoy Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tànan'ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak'i Amona ary ny Filistina va Aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA503A76-8A98-4046-9620-A54E1E44604A
12
Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita sy ny Maonita, ka nitaraina tamiko hianareo, dia novonjeko tamin'ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1842314A-1732-4E68-8864-B76ADCB191FB
13
Nefa hianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E9D2E4F-AA69-4160-9F8A-67E789B0C632
14
Mandehana, ka mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny andron'ny fahantranareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EBADE8D-C25F-4583-BBC7-68B8F714697E
15
Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66DBD474-FCEC-40E8-9A96-A4AA6457CE4A
16
Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8104547-D8D8-4C1B-82D7-92E0A7738342
17
Dia nivory ny taranak'i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tany Mizpa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6B3C7AF-56E6-44AF-A578-86C7BD128E18
18
Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFBD1F73-C9DE-4F97-B58A-1F704B6C9719
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany