Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|102FDB05-17D8-4137-96DC-8B4C45A771AC
2
Ary ny vadin'i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an'i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin'ny taranaky ny rainay hianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB1365F3-A5DA-4F8C-A59B-D21A64C6DD87
3
Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin'i Jefta ka niaraka taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|214DB52E-61C3-4F16-A67B-3050180A2316
4
Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A74B9F0-707C-4438-B9C7-34A72C9882D2
5
Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak'i Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka an'i Jefta hiala any amin'ny tany Toba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BB55464-4C0F-4A08-8D7D-8DCC795871C8
6
Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay hianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i Amona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5D31573-30AD-4EF2-B0AA-099E8EC6238A
7
Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va hianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray hianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5849006D-83D4-4156-B5E4-16779EF348F2
8
Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay aty aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83F1AEBA-AA9E-4479-86DF-4360578BDA60
9
Dia hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin'ny taranak'i Amona, ka hatolotr'i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DACBD806-ED35-4E5F-91FE-DFB5F31955DB
10
Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27700319-D1D1-4F36-AA3D-E3D8960D93C9
11
Dia nandeha Jefta niaraka tamin'ny loholon'i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan'i Jehovah tao Mizpa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6146E72-D9AA-4A86-A0AC-49AC8FF76DE7
12
Dia naniraka olona Jefta nankamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy hianao, no tonga aty amiko hiady amin'ny taniko hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8796B526-D1C8-434F-AF19-FCCA16382528
13
Dia hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona tamin'ny irak'i Jefta: Satria nalain'ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin'ny fihavanana ary izany ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEE031FE-F341-4B6D-97B8-7954CA370D22
14
Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0D65536-8878-4A21-919F-ED64457E55F7
15
ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin'i Moaba na ny taranak'i Amona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEE8B2AE-4432-447A-998E-1CC7349E4380
16
Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin'ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B17082A-B420-4A17-B2E1-2EE9427495AE
17
Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin'ny mpanjakan'i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan'i Edoma. Ary naniraka nankany amin'ny mpanjakan'i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC6E5039-5E30-435B-9259-43F8D557CF6F
18
Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan'i Moaba, ka nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo amin'ny fari-tanin'i Moaba; fa Arnona no fari-tanin'i Moaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6782753-6C0A-42F0-AB6D-77E9BF9F2A30
19
Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay mpanjakan'i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin'ny fonenanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6F8E5CA-7257-4921-BEC9-7D2EEAB283F6
20
Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAD7914E-8905-4B64-BDFB-F8C0F1F4B4E3
21
Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an'i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan'ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon'ny Isiraely ny tanin'ny Amorita rehetra, mponina tany amin'izany tany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F52592EE-3EA2-452B-BC07-DB37163B6AEE
22
Dia nahazo ny tanin'ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin'ny efitra ka hatrany Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|438CF2D1-71EA-4D7C-8FDC-293AA3C06A0E
23
Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary hianao koa va ta-haka ny tany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4F34CA0-CD00-4D95-B0FE-B183F3E6F8A9
24
Moa tsy hotananao izay tany omen'i Kemosy andriamanitrao anao va? Ary izay tany rehetra omen'i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E4B8392-7FAB-421C-B5CC-7DBF90119502
25
Moa tsara noho Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, va hianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AD93343-1C65-4D80-B275-5183B9C4B9B1
26
Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesbona sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny tanàna rehetra eny amoron'i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin'izany andro izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE51F0C9-942B-4B1E-B04A-C132FFB1C97A
27
Izaho tsy nanota taminao, fa hianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko; aoka Jehovah Mpitsara no hitsara ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Amona anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695A8A65-E858-454A-8447-715433CFC056
28
Nefa tsy nohenoin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona ny tenin'i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFCCFB32-F21F-4686-A58A-979F9F6662D4
29
Ary tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an'i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin'ny taranak'i Amona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B63C102-EA76-464B-A8C5-13D1303C09E0
30
Ary Jefta nivoady tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tànako tokoa ny taranak'i Amona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|651ECAA6-30B5-4FDA-A699-659DADEE0C49
31
dia ho an'i Jehovah izay mivoaka amin'ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|496A57C2-9F16-4D9E-A4E1-054ECED5767F
32
Dia nandeha Jefta nankany amin'ny taranak'i Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD98945B-03BF-4E08-9B24-09DD0500403F
33
Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8170536-4531-4594-9234-B4CC614EDACD
34
Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zanani-vavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakakahy na zanaka-vavy afa-tsy io izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7FEEAA4-78D7-4D5E-87DA-2EB05045AA9A
35
Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! efa nampitanondrika ahy indrindra hianao, ary hianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|205DDC9D-AC3F-46AC-8F3D-02A7DD683D30
36
Fa hoy ny zanani-vavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary hianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BC6F3A5-3A20-4E5E-AD65-FF2856FFB498
37
Dia hoy koa izy tamin'ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin'ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin'ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanam-bady akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A435E678-558E-4623-8EF4-554AD0257A14
38
Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy manam-bady akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C43B613-516B-4F0E-83AE-740366FB9AC5
39
Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voady izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraely
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B02DEBB5-74CC-4653-B97C-D0AF94E138B4
40
ny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin'i Jefta Gileadita isan-taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67E9E70F-3E98-453E-954A-30A680D73C52
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany