Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary nivory ny lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin'i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona hianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny afo ny tranonao sy hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CF29461-8697-4562-A1E6-C010D30CCE8B 2 Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin'ny taranak'i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin'ny tànany hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F98F9B2E-2A36-4C68-A7AF-BE4C72F775E1 3 Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy hianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona, ary natolotr'i Jehovah teo an-tànako izy, koa nahoana hianareo no miakatra aty amiko anio hila ady amiko? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BB71DCB-9A10-479F-A2A4-0236FD169AE8 4 Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra tamin'ny Gileada ka niady tamin'ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy tamin'ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin'ny Efraima ao amin'ny taranak'i Efraima sy Manase. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|860A63E8-9B81-49D7-8497-E25D5371BCB7 5 Dia novonjen'ny Gileadita ny fitana any Jordana mankany amin'ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin'ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy tamin'ny Gileada taminy: Efraimita va hianao? ary raha hoy izy: Tsia, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDDE2196-9CC5-4A7B-9F77-3A8ECD364994 6 dia hoy izy ireo taminy: Tonôny ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin'ny fitana ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin'izany andro izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F24818B6-4A9B-44C7-9BF6-14D3FDB009FC 7 Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin'ny tanàna anankiray any Gileada. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|218147D9-E2D3-4CAF-BE32-C0718E5C52B6 8 Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7475B8FD-1107-46D4-A3BD-EB1306343B9C 9 Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zanani-lahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1ECB1B3-9460-4BBE-A724-876FC63CDFDF 10 Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|750FD9F8-9573-49AE-84E2-104B8F96F1A9 11 Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06351D52-4E05-4C2C-8B86-AE67E2CF3183 12 Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin'ny tanin'ny Zebolona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C3E7018-EA7F-49F4-9E9C-96C4CE935B94 13 Ary Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B170D375-9B51-486E-B123-A50CE62F5B80 14 Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|849C649C-6FD0-4920-A127-A0B569C94E19 15 Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE77AAAD-16F5-4B90-81C3-D3B37CEC52CD
|