Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1287FA51-189B-4DA2-849D-FAA67A3EA905
2
Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCC44D18-AB29-42F6-BBE8-5570B6426668
3
Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin'ny zana-kavanao, na ato amin'ny fireneko rehetra, no dia mandeha maka vady any amin'ny Filistina tsy mifora hianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy ihany no mahafinaritra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE80C405-E480-463F-987D-590BCE3B2686
4
Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin'i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin'ny Filistina Izy; fa tamin'izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DBE7CDB-7F50-4751-8F12-7E3E36115530
5
Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanimboaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A98777BD-D586-4318-A762-7C3542C2807E
6
Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany ; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|040E1182-224C-4060-B82E-DD8898C3E4D3
7
Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an'i Samsona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DEA6EDA-5D4C-4601-B69B-A8B3DF81C0B6
8
Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy renitantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D96156E7-4A86-488E-AE71-193A0E4C2737
9
Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C76A387F-0894-4971-8A80-AC0108F89822
10
Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain'i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEECD701-454D-4FD6-B66A-44E20EB3DF42
11
Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A883067-7226-41AD-89C4-F233FBBFDBF7
12
Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin'ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23B9FCEB-6100-4118-BEC4-A7D660F75C0B
13
Fa raha tsy mahalaza amiko kosa hianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80EA5A94-1BD7-4F09-8EF0-E2BFD7F51CA0
14
Dia hoy Samsona taminy: Avy tao amin'ny mpihinana no nivoahan'ny hanina; Ary avy tao amin'ny mahery no nivoahan'ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin'ny hateloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50EE7F1B-6843-4A7C-A77F-42DD5680B84E
15
Ary nony tamin'ny andro fahafito, dia hoy izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodorany amin'ny afo hianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va hianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB2F1874-5006-4D9A-B887-5E68E889C8D4
16
Ary ny vadin'i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneko hianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka hianao va no hilazako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16C8A6E5-22F1-4646-BC73-CD2273862EB7
17
Dia nitomany teo anatrehany tamin'ny hafitoana izay nisian'ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin'ny andro fahafito dia nolazain'i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F438EB2E-94BA-4F3B-9638-DBE7458BC86C
18
Ary nony tamin'ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA7BB5C9-DC1E-4FB6-A3F2-0B32325FD83E
19
Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian'ireo ka nomeny ho an'izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran'i Samsona, ka niakatra nankany amin'ny tranon-drainy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7126607F-33CE-477D-8248-0DB8B24EC90B
20
Ary ny vadiny dia lasan'ny namany izay efa nataony sakaizany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF062A1A-3990-4A09-824E-33EEC85CC862
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany