Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony afaka kelikely, tamin'ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak'osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin'ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF8695D9-3F6F-4157-8FEB-AAEB3CF9578F
2
fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an'ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masìna hianao, aoka izy halainao ho solony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6221D08-4DB3-4525-8AD9-D1E4ADE6D904
3
Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|006C4023-C0B0-4C02-931F-4EFA9C5B64C4
4
Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy; ary nampifanendreny ny rambon'ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan'ny rambony ilay hatao fanilo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83FBB25B-4FD6-4B17-BD1E-2FC5B1FFC736
5
Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin'ny varin'ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|707155E6-E27C-4BF0-89C1-FC4B2761FB02
6
Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton'ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an'ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5606DBBB-CB71-41D4-832F-551643BB3EF3
7
Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany hianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23632B7F-9914-4CA7-B12D-CE13AF6F0640
8
Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak'ilay harambato mitresaka any Etama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C5BFEC1-F5A6-4796-B4A4-A6BE1EF89E35
9
Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin'ny Joda ka niely tany Lehy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B26C112-952F-439C-B1EC-CB563BCF10B8
10
Ary hoy ny lehilahy tamin'ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay hianareo? Dia hoy izy: hamatotra an'i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy araka izay efa nataony taminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|455BDCE9-BCBB-4E3C-B985-37CA424C351A
11
Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin'ny Joda nankany amin'ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin'i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa mpanapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: Araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BCBA9E9-2E5E-4393-809C-F642C6689209
12
Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan'ny Filistina hianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiàna amiko ary fa tsy hamely ahy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00D25D99-FEC7-42C2-9ABA-4B41FB7EEF46
13
Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin'ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin'ilay harambato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C372E0C-B9EC-4479-919E-D7D79B70250F
14
Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin'i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin'ny afo ny mahazaka teny amin'ny sandriny ary afaka tamin'ny tànany ny fatorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56FEF3E3-B141-44E8-9114-64E1157E29EA
15
Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1046E64E-2E5B-4222-8726-84922671CF9A
16
Ary hoy Samsona: Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0116C63A-D472-492C-9656-BAE2C4D8E882
17
Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FE44F1C-D053-472A-9D14-02D04ED3C971
18
Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin'ny tànan'ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan'ny tsy mifora!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C755760-BADF-4E4C-8D76-0A883CF80A39
19
Dia nampitresahin'Andriamanitra ilay toerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5865791-E3A2-4658-B461-1103164A65C7
20
Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin'ny andron'ny Filistina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|006DAECD-BEDA-41BC-BCC9-5B3C2F736867
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany