Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B33C674-0255-4580-8172-7251F3869832
2
Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8062F58E-B464-4410-9DA5-51C081CBB00D
3
Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy tao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan'ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE72079D-8EE2-4353-8A6C-622BB31454EC
4
Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4870A5C5-AF8D-4EBA-BDDE-0B72F69352B4
5
Ary nony tamin'ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin'ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely hianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|358D79DD-4D1F-41D9-9F0E-E8778F4DD463
6
Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3052DB2E-FDC5-442E-8E35-4F907F945131
7
Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C79AE2E-6A7F-40A4-8487-7C5574999EC3
8
Dia nifoha maraina koa izy handeha tamin'ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazazavavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely hianao, ary mijanonjanôna aloha mandra-pihilan'ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D18146B6-83BC-4E20-8F9E-920EB2529352
9
Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy: Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna hianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto mba hifalian'ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa hianareo, ka handeha hody hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D1AD16E-57DF-48D2-A9BE-17B11B090D80
10
Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin'izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin'i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13F5FD30-D29B-4B1C-9609-BB31755174C0
11
Ary rehefa mby teo akaiky an'i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin'ny tompony: Andeha hiakatra ato amin'ity tanànan'ny Jebosita ity isika ka handry ato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12635972-1C5B-47CB-8610-F8F8A232BA87
12
Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin'ny tanànan'ny olona hafa firenena izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52C2023C-7D32-41F6-96A4-280D045382E6
13
Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Andeha isika hankamin'ny anankiray amin'ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|565C5D05-C04E-4656-BA33-D624ECB4FE73
14
Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an'i Gibea, izay an'ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|568CD244-9734-47CE-B94D-9268A9FE4E91
15
Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin'ny kianjan'ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40D1BF31-AB0A-47B6-84BC-EAEB852B16A1
16
Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin'ny tany havoan'i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea; fa ny mponina tao amin'izany tanàna izany dia Benjamita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A12EBE0-E1EF-4B3E-BA56-41C5DE99CE24
17
Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan'ny tanàna, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa hianao? ary avy taiza?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B292812B-8614-4423-BD07-0183F05B2C75
18
Dia hoy izy taminy: Avy any Betlehema-joda izahay ka hankary an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon'i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A079A1E-30E6-41FA-BFB3-2966DC9FBDC1
19
kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an'ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an'ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8600357F-D1F3-4DF5-84A2-4F39BE6F1A23
20
Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6DA9F16-9BAD-4FC5-83B8-0BF4213DBBF4
21
Dia nitondra azy tany an-tranony izy ary nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7637DC0-6768-4D63-903F-A977E949426F
22
Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondôna mafy ny varavarana ary niteny tamin'ilay lehilahy anti-panahy tompon-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|808CD926-36F7-42F4-8AA2-A08F0117B234
23
Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompon-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna hianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A004F52E-D8FB-43F4-82F0-F99A5FCA98AD
24
Indreto ny zanako-vavy virjina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba hoentiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACE072F2-E202-4DC7-A141-6836FB2FE422
25
Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarainan'ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2777928B-CC14-4639-9057-82ABB8645DFD
26
Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran'ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran'ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1C67C7C-79FA-4F2C-A6EE-5C98B7E3CBA6
27
Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran'ny trano, dia nivoaka handeha tamin'ny làlan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran'ny trano, ary ny tànany eo amin'ny tokonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D15EF75-97BE-47C7-9952-21E4503C90A7
28
Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin'ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin'ny fonenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|435E0D53-414C-4F27-947D-5FDA0332780A
29
Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin'ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin'ny taolana ho roa ambin'ny folo toko, ka nampitondrainy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2DAE00D-BE6E-4A81-81A5-3BFD756522BD
30
Ary hoy izay rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B6A5DC8-5B7D-4926-B1DD-A2D7B26D54DE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany