Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia nivoaka ny Zanak'Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin'i Jehovah tany Mizpa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72587FF9-7C5D-415A-A393-8D5E1EEB00D7
2
Ary ny loholona rehetra tamin'ny firenen'Isiraely niseho teo amin'ny fiangonan'ny olon'Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC0566B4-329F-4403-BA05-4349C5E56A0A
3
Ary ren'ny taranak'i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak'Isiraely. Dia hoy ny Zanak'Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57B61384-83F6-4384-9DD7-C5FF551B5B26
4
Dia namaly ilay Levita, vadin-dravehivavy novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay an'ny Benjamita, izaho sy ny vaditsindranoko handry tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EA9335E-A485-4F6B-8E5C-8845FF78E584
5
Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin'ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|119628BC-6D4B-480B-AAD1-50F3B2E968F7
6
Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin'ny tany rehetra izay lovan'ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin'ny Isiraely ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E104EFD9-4302-4EBE-AEA0-9E8F9CEAC5CF
7
Koa indreto hianareo Zanak'Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BEECEC3-0E72-4448-9474-32A54B5A405D
8
Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin'ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50498AD8-4EA0-4F4F-8AAC-6EDB3E987844
9
Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin'i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61611241-AEDD-44E1-9EB6-E76FF3AA06BD
10
Ary haka folo lahy isan-jato amin'ny firenen'Isiraely rehetra isika, dia zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ny olona, ka rehefa tonga any Gibean'ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin'ny Isiraely no hataony aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABAE1D71-482B-4C02-9BFA-ED134EDEA53B
11
Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|243CE550-FA77-4B0C-A3B3-59C10021725E
12
Ary ny firenen'Isiraely dia naniraka olona tany amin'ny firenen'i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D45B4641-B302-40D8-8535-99E490B9F196
13
Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6B42B37-1A0D-4634-B734-BE6BFA8156BA
14
Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3593A48-487E-4D34-9235-2287E72F140F
15
Dia voalamina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55E46CF5-1F67-4275-97A7-51822DE7025E
16
Ary teo amin'izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin'ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCA37151-84B7-401A-86CE-719452BA651B
17
Ary ny lehilahy voalamina tamin'ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamita, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58CFE2AF-7819-42CD-B244-D3623116C7A2
18
Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|463D7592-B11B-4DE9-B209-B347A30CB644
19
Dia niainga maraina koa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tandrifin'i Gibea.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C638EBD-2A4A-437C-9321-964073B64D00
20
Ary nivoaka ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady amin'ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady aminy tao akaiky an'i Gibea.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7BE8BD3-9D9A-4A4C-B8D3-9EB8B514F62F
21
Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak'i Benjamina ka naharingana ny Zanak'Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07CC9427-AE9D-4933-A44B-E7105A88825D
22
Fa nifanome toky ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin'ilay nilaharany tamin'ny andro voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB3A3535-0BBE-46DC-8A43-CCDD6B541278
23
Ary niakatra ny Zanak'Isiraely ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro, dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C7EE26F-C145-42B1-BA22-AC954BAEDC1A
24
Ary ny Zanak'Isiraely dia nandroso tamin'ny andro faharoa hiady amin'ny taranak'i Benjamina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E599AB95-B208-4F1B-A2EA-3EE76EAD02CD
25
Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak'Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77C82A00-5D3E-48FF-B00B-65B4BA3E164C
26
Dia niakatra ni Zanak'Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nifady hanina tamin'izany andro izany mandra-paharivan'ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F331BC1E-ACFE-4321-B9F7-EC4D1DB0BD1F
27
Dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely (fa tao ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CB24783-CD24-4391-AA0B-70E5F3A902E6
28
ary Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona, nijanona teo anoloany tamin'izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tànanao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16B55BA9-92B9-40F9-9557-FF6154C8807F
29
Ary nasian'ny Isiraely otrika manodidina an'i Gibea.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94336D55-B0BA-4B08-B684-F3E3F9B54C15
30
Dia niakatra ny Zanak'Isiraely tamin'ny andro fahatelo hiady amin'ny taranak'i Benjamina ka nilahatra tandrifin'i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68C46A8B-AF67-4684-BC8B-20C18B77AF26
31
Dia nivoaka ny taranak'i Benjamina hiady tamin'ny olona ka voatarika niala tamin'ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin'ny Isiraely tany an-tsampanan-dàlana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5C08603-28EF-4873-8DE3-341D34804749
32
Ary hoy ny taranak'i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny tanàna ho any an-dàlambe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D86474E0-71B7-4E05-A6BA-79D3642FB995
33
Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin'ny fitoerany, avy tao an-tsahan'i Gibea.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A6BA72D-7E81-4773-87D4-A33665DDD0C1
34
Ary tonga tandrifin'i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady, nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|025515BE-83BE-4BF9-A6FC-63EA0F20E57B
35
Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan'ny Isiraely, ary tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina dia nahafatesan'ny Zanak'Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E767AA95-1B16-475B-B716-66357D0C0A00
36
Ary hitan'ny taranak'i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin'ny Isiraely nanao tari-dositra tamin'ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin'i Gibea izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15A24152-800F-4458-9B58-DD1746ABB4C1
37
Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin'ny lelan-tsabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|147EF270-64FF-4961-B49F-D9F607011F0C
38
Ary ny famantarana nifaneken'ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny otrika dia tsangan-afo lehibe hisavoana ao an-tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F9151D3-E25C-4ACC-9B55-FAA20DE1973B
39
Ary nirona tamin'ny ady ny lehilahy amin'ny Isiraely (ny taranak'i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin'ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin'ny ady voalohany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CABEB2F8-5B9F-4788-B656-76145ADA28C2
40
fa raha vao niakatra avy tao amin'ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak'i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin'ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFDA3778-7FE6-4D8C-BCD0-0FEDD6D9EDB1
41
Ary raha niverina ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B070AF0D-4FDB-4004-8FFB-C137B4FB8E56
42
Dia niamboho teo anoloan'ny lehilahy amin'ny Isiraely hankany amin'ny làlana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin'ny tanàna koa dia novonoiny teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D327A85A-CFA5-4F5E-8B9C-4C62DEF026EF
43
Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana tandrifin'i Gibea atsinanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0BFEECC-39C0-4EF0-9533-FAB98B22157B
44
Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7896CAF3-1CC3-46DB-9021-BD02CF284158
45
Dia nivily ny sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dàlana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCE916A2-7FA3-4429-8474-80214CFCC8D2
46
Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin'izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FC79269-924C-43C0-94A1-5B9380D394BF
47
Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49F31A05-B766-4173-BC9F-4B6B448ECE3E
48
Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay rehetra hita; ary ny tanàna rehetra izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C96F2110-CB05-49DD-AFE8-2737507D22AF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany