Mpitsara 21: 1-25

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely dia nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zanani-vavy ho vadin'ny Benjamita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57208D80-7BBB-46A1-840D-A9AC35B47EED
2
Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan'Andriamanitra mandra-paharivan'ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5ACAE200-EF98-4F1B-8DE2-50B7FE591465
3
nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga amin'ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin'ny Isiraely?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2743C4A8-273D-4231-BB19-FA64932B496C
4
Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3B56984-EB65-456D-9A93-43F3D742081C
5
Ary hoy ny Zanak'Isiraely: Iza amin'ny firenen'Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin'ny fiangonana hanatona an'i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin'izay tsy niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C93D0555-D821-41EC-B5B8-CF44F77B12EB
6
Ary ny Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin'ny Isiraely ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2F4C410-A8E9-4BEE-9D42-86F1BD745CF4
7
Ahoana no hataontsika amin'ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin'i Jehovah tsy hanome vady azy amin'ny zanakavavintsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51E0C118-8D3F-4BD8-B7E1-8FE805346066
8
Dia hoy izy: Iza amin'ny firenen'Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jabesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin'ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D44F6E82-59EB-4382-939F-E68E5EDD962C
9
Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin'ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CE1C7E0-94BE-4543-8204-9B1DEA872B8C
10
Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra mbamin'ny zaza amim-behivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81DD5D9B-D4F2-4E62-9867-93A26F50A1B2
11
Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra efa nahalala lahy dia haringanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A9B1FDB-0391-4E8D-AB5E-FD4F10E9DE15
12
Ary nahita zazavavy virjina efa-jato tsy mbola nahalala lahy izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin'ny tany Kanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F201332A-937B-405D-8AE5-FD246C1D3C37
13
Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tany amin'ny taranak'i Benjamina, izay tao amin'ny haram-bato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C1D5D53-497D-4538-9D43-F3D9DD43953D
14
Dia niverina tamin'izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin'ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C55A484-F0D2-42C5-BCB4-CB8DBCA5BFC3
15
Ary ny olona nanenina noho ny amin'i Benjamina, satria nisy nobangain'i Jehovah ny firenen'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87E37A0A-1BD4-4CAD-A4C1-1CD4D548403D
16
Dia hoy ny loholon'ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an'ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin'ny Benjamita?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE73BFD6-1A97-478E-AAA3-22578886D1A8
17
Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E7F6DB1-D037-4047-8A9D-2F4FBA09FDA8
18
Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60490465-CE60-40ED-930C-06BB797AE879
19
Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny làlambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B12259DA-C28F-4EDF-B6FD-47A88989DBD2
20
Ary nandidy ny taranak'i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin'ny tanimboaloboka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94FA0D01-42BA-4485-A684-EE16FACA0EED
21
ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin'ny tanimboaloboka hianareo, ary samia misambotra amin'ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin'ny tanin'ny Benjamina indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05027BC2-4F36-41D7-8A70-B3AE8E579AFB
22
Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tamin'ilay ady teo; fa tsy hianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81167F11-7795-4701-960B-1A93E6A878CB
23
Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E35195EE-B0C5-4F84-9E68-B4C8E5A931C9
24
Dia samy nandeha niala teo ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany, samy ho any amin'ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho amin'ny lovany avy ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|680D67CB-2020-43BB-9E01-928CA5826E3D
25
Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F946B40E-FA96-487E-9213-8B4B7AD72395
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany