Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny firenena navelan'i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6607AAE-8374-4C1B-8809-23D15B84F9D5
2
mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak'Isiraely izany amin'ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88D75408-1FB9-4B19-8113-0BCCC32AC406
3
dia ireo andriana dimy tamin'ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hevita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin'i Bala-hermona ka hatramin'ny làlana mankany Hamata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27931F62-7129-4494-92E6-CC1BC2B34567
4
Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin'i Jehovah, izay nasainy nandidian'i Mosesy ny razany, izy, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0816EAFF-232A-47A6-87FE-AF56B502EF29
5
Ary ny Zanak'Isiraely nonina teo amin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91163D06-0940-4F95-9CA2-E9671A7BD9E2
6
Ary naka ny zanakavavin'ireny ho vadiny izy sady nanome ny zanani-vavy ho vadin'ny zanakalahin'ireny ka nanompo ny andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F5A4041-7F5E-45A5-B6DB-41E31559FA7C
7
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A3B6587-C79F-4090-996E-1C03A5CD94D5
8
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB54DB45-6021-456B-8F6F-B1B1B9B457CD
9
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32B5F9C8-D044-4284-A5E6-FFAABF1A7154
10
Ary ny fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|573BB091-463F-4E6B-95C0-F2DFF4024675
11
Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF6CF0F4-A564-4A5D-8A8A-480480CAAAAA
12
Fa nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ny Zanak'Isiraely ary i Jehovah nampahery an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, hiady amin'ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CB9381D-3334-446A-8554-1824CA3E9F70
13
Dia nampiangona ny taranak'i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nadeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF5B1E7E-AF77-498A-A705-C61A9D7D7612
14
Dia nanompo an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, valo ambin'ny folo taona ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B711F18E-F3FC-4399-B75A-BE96DF304A4F
15
Ary nitaraina tamin'i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak'i Gera, avy amin'ny taranak'i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A98E440-7B1B-4A26-8440-828DE2D1C638
16
Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin'ny fehin-kibony ambanin'ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57EB5441-0249-4AD2-A166-6708B5F3C3CF
17
Dia nitondra ny fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, izy; ary lehilahy matavy be Eglona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C4ADD18-0467-4E90-820F-7986A9EDC4AB
18
Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|387DC773-E4A3-43F8-AAD4-1CFDE53969F7
19
Fa nony tonga teo amin'ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely hianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|232E13F3-B40B-4319-B94D-25115B6FDC30
20
Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin'Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianana Eglona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE1F38F5-C13A-4799-AFAA-B3032441946D
21
Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny ambalahany ankavanana, dia natsatony tamin'ny kibon'i Eglona izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD141381-CE04-4DCD-923A-EAD24FB4A168
22
ary difotra mbamin'ny zarany, ka voasaron'ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin'ny kibony izy; ary niboroaka teo amin'ny vodiny izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8BAA1B7-F0D1-4D2C-ABDF-BED588BDAB5F
23
Dia nivoaka teo amin'ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran'ny trano ka nanidy azy tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0B80FA5-9CBA-4E1E-9D5F-E92E46AEECB3
24
Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon'i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran'ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiatsiahana izy aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A59185BB-39BE-4E64-8CC4-C4EBD236818E
25
Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran'ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin'ny rihana ny tompony
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8683ACAE-8DF3-4B67-BE98-492AEC9BB957
26
Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seirata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FA0BEFE-0C98-4FBC-AF02-8DEE416A510D
27
Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin'ny tany havoana ny Zanak'Isiraely, ary izy no nitarika azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F36E86B-E970-4D12-A6F9-B986C9B0AC35
28
Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tànanareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitana any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A4A900A-07BB-4B71-BDB2-0A3F139932B7
29
Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C345F34-1B83-40E7-BAD6-3C925102CCD6
30
Dia resin'ny tànan'ny Isiraely ny Moabita tamin'izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D40D6D6-B0ED-41C7-BB2F-FEE93F8B1493
31
Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak'i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin'ny fanindronan-omby, dia namonjy ny Isiraely koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D048E9AC-0C29-4358-ACA8-E9DE174BF903
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany