Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary Debora sy Baraka, zanak'i Abinoama, dia nihira tamin'izany andro izany ka nanao hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68BEC2A5-0B54-4418-A614-AA1F27222699 2 Noho ny fitarihan'ny lehibe tamin'ny Isiraely Sy ny fahazotoan'ny vahoaka nanolo-tena, Dia miderà an'i Jehovah. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40912237-837A-46C9-990B-3ADD0EC8ED16 3 Mandrenesa hianareo, ry mpanjaka, Mihainoa hianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an'i Jehovah; Hankalaza an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DE8FEE2-2428-4F2E-9078-5866D6D0952E 4 Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao Ary nandeha avy tany amin'ny tany Edoma, Dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91E4A9D7-0830-427F-B996-7F5501793092 5 Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan'i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B26D5C5-A3E3-4C9B-BC64-385CBE50850F 6 Tamin'ny andron'i Samgara, zanak'i Anata, Sy tamin'ny andron'i Jaela Dia tsy nodiavina ny lalambe, Fa ny sakeli-dàlana mivilivily no nalehan'ny mpandeha. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE680FFC-2CB8-4DFD-B3B1-BDA6563508C8 7 Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin'ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, Eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin'ny Isiraely. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7614BB7-192B-4115-81DD-0A8116CAFE66 8 Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin'izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va Teo amin'ny olona efatra alina tamin'ny Isiraely? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69123918-FDC7-45DD-B1D5-3976CFCB8A66 9 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin'ny Isiraely, Izay nazoto nanolo-tena teo amin'ny vahoaka,-- Miderà an'i Jehovah hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDAEFF17-B686-41CA-B420-249C9A44B4ED 10 Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, Hianareo izay mipetraka amin'ny lamba fitoerana, Ary hianareo koa izay mandeha amin'ny làlana, samia milaza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54576BFB-B2ED-4D8B-91BE-DC62ED49B6DD 11 Lavitra ny feon'ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin'ny fantsakan-drano, No hiresahany ny asa marina nataon'i Jehovah, Dia ny fahamarinany tamin'ny tany Isiraely; Tamin'izany dia nidina ny olon'i Jehovah ho any am-bavahady. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4977E58-4C85-4B11-A966-099FEFDEFA56 12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangàna, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin'i Abinoama. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A4026D5-D98E-40D8-888E-543D47A649B1 13 Tamin'izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin'ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6023607-1638-436D-8FD8-2C5C575B63F0 14 Ny avy amin'i Efraima, izay miorina amin'i Amaleka, Dia nomba anao teo amin'ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan'ny mpanao lalàna, Ary avy tamin'i Zebolona ireo mitana ny tehin'ny mpifehy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E862BA2F-E1B9-4304-83C8-6CE2BE63F811 15 Ary ny andrianan'isakara niaraka tamin'i Debora, Dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena! qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E0838FC-ADE5-4B27-8B95-AB26D1D7ADF6 16 Nahoana hianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, Hihainoanao ny feon-tsodina avy any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena! qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42087496-F52A-4F11-97F4-9D65EA173188 17 Gileada nitoetra teny an-dafin'i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25B49DC4-490F-4177-9E57-63331212EC3E 18 Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin'ny fitoerana avo any an-tsaha. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2A5531A-0D37-424B-AA32-AC8541FFE76B 19 Tonga ireo mpanjaka ka niady, Eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan'i Kanana, Dia teo anilan'ny ranon'i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EA7A535-1DF7-45EA-95A7-32AAEFC0EA4D 20 Avy tany an-danitra no nisy ady; Ny kintana tamin'ny nalehany niady tamin'i Sisera. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18878B88-14BA-40D3-9EDF-937EE75487CC 21 Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery hianao, ry fanahiko! qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8AA36BC-0FC2-4167-8193-4FAA206ED4B7 22 Tamin'izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly Noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazahan'ny maheriny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF531B56-AF20-4FF9-AC4C-3A48B900FF4A 23 Ozôny Meroza, hoy ilay Anjelin'i Jehovah, Ozôny dia ozôny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an'i Jehovah izy, Eny, tsy nanampy an'i Jehovah hamely ny mahery. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65C0E5E1-E1E6-41AC-A547-5E2A8184490E 24 Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin'i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F94AAA0F-534A-441D-812A-20DDF0B2B813 25 Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian'Andriana no nitondrany rononomandry. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1590A47-253E-44AD-8923-EE4937DA8304 26 Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan'ny mpiasa, Dia namely an'i Sisera tamin'ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3421D14-9B38-4872-8D63-779293F33B62 27 Teo amin'ny tongo-dravehivavy no niondrehany -- nahalavoany -- niamparany, Eny, teo amin'ny tongony no niondrehany -- nahalavoany; Teo amin'izay niondrehany no niamparan'ny fatiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF6532DA-A0FF-4409-B259-2C7CAB9438A5 28 Tao amin'ny varavarankely no nitsirihan'ny renin'i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin'ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian'ny kalesiny? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB1E950E-128B-42A5-809A-4A70ED4F24A2 29 Izay hendry tamin'ny andriambaviny no namaly azy, Eny, ny tenany aza namaly hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B39815DD-C5D3-4BEF-AD7E-CD0951B0D926 30 Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D476DE0-322F-4B22-B059-D9AB6EDEF71F 31 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8211EF3-754C-442F-ACFA-12CAAC0FB992
|