Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ka dia natolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Midiana fito taona izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F418F963-58AA-4BC0-A38E-CBE2E4DE0B36
2
ary ny tànan'ny Midiana dia nahery tamin'ny Isiraely, ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran'ny Zanak'Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin'ny fiarovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|591936E2-F5CC-4828-8EE2-D4AF8BA2B340
3
Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97A005E0-7D26-426E-ADF0-782BA3FC8C3A
4
Dia nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin'i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany hiveloman'ny Isiraely, na ondry aman-osy, na omby, na boriky;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|727A2D9B-7065-46A9-B789-CE8B81956B19
5
fa niakatra izy nitondra ny omby aman-ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin'ny tany izy handrava azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|362B2CAD-83AF-4C7B-9C80-9DAB4A704832
6
Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50F482B1-5974-453F-BA06-D7AC980A2897
7
Ary raha nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely noho ny Midiana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9FE4D9D-A3CB-4B85-A744-335F64596D07
8
Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin'ny Zanak'Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely: Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny trano nahandevozana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|405E8100-F561-456A-B4E3-A8F1B76CC2DA
9
ary namonjy anareo tamin'ny tànan'ny Egyptiana sy ny tànan'izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka ireny teo anoloanareo Aho, ka nomeko anareo ny taniny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A8B62A5-1596-4B3C-8915-51F316ABDD8C
10
ary hoy Izaho taminareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita, izay tompon'ny tany onenanareo; nefa tsy nihaino ny feoko hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA9DC0E3-2C18-4CB3-8DF9-26F426589778
11
Dia tonga ilay Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy Abierzita; ary Gideona zanany nively vary tamin'ny fantaka teo anilan'ny famiazam-boaloboka mba hafeniny ny Midiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E2777C9-E934-4DDE-B182-9718E51E4377
12
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|275AE561-DB98-4FDC-AA89-3F1FF12C9B48
13
Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay'Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan'ny Midiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2239BC45-902E-4F48-A94B-2B2AC0DA1D12
14
Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao taminy hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tànan'ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4429A10B-CDCB-46A5-8A0E-2A389C0D3182
15
Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra eo amin'ny ankohonan'ny raiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F51DAD9-245E-4B46-978C-514B114EF2EB
16
Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D46D9C4B-2519-4820-9F4A-85E244D96462
17
Dia hoy izy taminy: Masìna Hianao, raha mahita fitia eo imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E8CBC30-B429-495F-8195-5CC3E8F08958
18
Masìna Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto aminao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C27DEF9-7EBA-4C35-8219-3BC0BF13DD78
19
Ary Gideona lasa niditra ka nanamboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A296808-D4FA-4CF6-B31C-35C01FC28EA0
20
Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0212E2F6-24E4-4536-AE96-AF55340E8D23
21
Ary naroson'ilay Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo imasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11279E75-A592-4830-B9AC-00F8DBC5F4B2
22
Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4361E1E2-B151-4FF0-88F5-475218A54AB9
23
Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty hianao tsy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58169A53-9EAE-4459-ACCD-CF21552101C3
24
Ary Gideona nanorina alitara teo ho an'i Jehovah, ary ny anarany nataony hoe Jehovah-saloma; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany mandraka androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1194AAF3-B079-47EC-BF4D-B369041C04EF
25
Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFB9EF36-F7DD-48C1-9899-2091C7ABBAB7
26
dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54D8F427-4153-4996-ADAE-3A072A7DEDEE
27
Ary Gideona naka folo lahy tamin'ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy, dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E901409-7143-4901-A8F5-7A87C37573DD
28
Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka, indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6804BF5-648E-4D54-AB79-4E930618EF43
29
dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e'Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak'i Joasy, no nanao izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76264572-2369-4013-B839-D8A586C8EA19
30
Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B17FA7FC-99BA-484B-A8A6-0E85C06290EC
31
Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa hianareo handahatra ho an'i Bala va'Hianareo va no hamonjy azy'izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A5390CE-2AB9-4C44-B879-944480407F74
32
Ary tamin'izany andro izany ny anaran'i Gideona dia nataony hoe Jerobala, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51512D0D-25FD-4996-B3E3-DED3CFD800C1
33
Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D083025-84CD-49CA-90B7-74EA07F5132E
34
Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFDA77EE-BCD4-4913-A362-C40CEFC04EC3
35
Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86CB8A7A-6F42-4E03-B1F2-B8579121DE66
36
Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tànako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B38FB1CB-46F5-46C4-9222-F77DBE410394
37
indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny andro, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tànako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95D1ABFA-D09F-4A64-8E17-A3D37C7CD085
38
Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'Ando eran'ny lovia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC2B0E3C-6290-4FF0-A6EF-322582B103A8
39
Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B95C6D5-B3E5-4AF1-AE31-84CF57FD7F9B
40
Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|694093AD-1206-4017-B988-FC0F439E3709
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany