Andininy
Protestanta Malagasy
36
Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tànako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B38FB1CB-46F5-46C4-9222-F77DBE410394
37
indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny andro, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tànako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95D1ABFA-D09F-4A64-8E17-A3D37C7CD085
38
Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'Ando eran'ny lovia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC2B0E3C-6290-4FF0-A6EF-322582B103A8
39
Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B95C6D5-B3E5-4AF1-AE31-84CF57FD7F9B
40
Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|694093AD-1206-4017-B988-FC0F439E3709
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany