Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharano Haroda; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo andohasaha anilan'ny havoana More.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C713BD2F-B6AA-452A-8FEC-0522C6C3BDC9
2
Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tànako ihany no namonjy ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECE6F19F-DE3D-420B-940F-250388B459FB
3
Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan'ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8C97A63-ECD8-4DC3-9DB4-09F5C5A8D9C2
4
Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADD5C39A-EBA3-4A60-8EB9-2A47830C10E6
5
Ary dia nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin'ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8CC48A1-EC88-404F-A839-C6B3E420CEB6
6
Ary telon-jato lahy no isan'izay nanainga ny tànany tamin'ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B99A5C5-4571-4EAF-AD65-6D6126E1C63C
7
Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tànanao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin'ny fonenany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8982D424-31D8-4B4C-BCEB-4BDF18ED76E5
8
Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo andohasaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D82E5F27-EF07-4F03-9E2D-F8A27A9DE0D3
9
Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mitsangàna, midìna ho any amin'ny toby hianao; fa efa natolotro eo an-tànanao io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|557F7763-BE7A-40F2-8511-806146F08F9C
10
Fa raha matahotra hidina hianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin'ny toby Pora zatovonao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38B7AEFC-E36D-46C4-97B3-49A8A5FE294A
11
dia ho renao izay lazain'ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tànanao hidinanao any amin'ny toby. Dia nidina niaraka tamin'i Pora zatovony izy ho any an-tsisin'ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin'ny toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98EF705F-6BCB-4AFC-8150-1433C6545851
12
Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17C8727E-9C7E-4B68-A414-B96DC7579CE8
13
Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny tobin'ny Midiana ka nankamin'ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBC094E9-5C64-4F0E-BAC2-F45CEEBE9ABB
14
Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A81E682B-D7CA-4904-B8C5-67B244A5D5F1
15
Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any an-tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tànanareo ny tobin'ny Midiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CE1F826-AEA9-4A96-A81F-BD860F33B888
16
Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho any an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin'ny siny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9780FB7-2F66-4DD7-A281-CD12368F560B
17
Dia hoy izy taminy: Mijere ahy hianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2138E4D4-CC9B-4B3B-8067-301BCE716313
18
Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa hianareo, ka miantsoa hoe: An'i Jehovah sy Gideona!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA15A944-9CD8-4799-9221-371125B80FBC
19
Dia nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E0B34F3-6400-421E-AEB2-11D5FFB4342D
20
Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B676E86-E871-4BA1-8AB6-F1F3D97E30BD
21
Ary samy nijanona teo amin'ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC9CE6CF-2047-4093-9FB6-AF7E44C96D84
22
Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin'i Jehovah tamin'ny sabatra ny miaramila eran'ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin'ny fari-tanin'i Abelamehola akaiky an'i Tabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|692E7A32-7FE1-4DC6-8909-3A15071B0125
23
Dia nivory ny lehilahy amin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC619BAF-D887-4BE3-B610-AABFBDEE9305
24
Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midìna hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2C6FC75-CEE8-42AB-9CA1-9568146F184F
25
Ary nisambotra ny andriana roa lahy tamin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|785123EF-DE2E-4A28-932A-B4BB59B77023
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany