Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha niady tamin'ny Midiana hianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6ACB3D67-8075-46DB-A8C9-EA1DE2066B97
2
Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F682B3A6-2C8A-4C63-9C4E-68112F59FB61
3
Teo an-tànanareo no nanoloran'Andriamanitra ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin'ny nataonareo'Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran'ireo taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE30E614-CEA8-43A7-85C5-8ABA0877AD00
4
Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3D332FC-D644-4992-A51D-3476E88B6BE6
5
Ary hoy izy tamin'ny mponina tao Sokota: Masìna hianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CE4DB91-E531-4BC8-99FC-3E7432EC360E
6
Fa hoy ireo andrianan'i Sokota: Moa efa voahazon'ny tànanao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39BBC0D7-6974-456F-9F2B-5BD56F95CBEC
7
Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr'i Jehovah eo an-tànako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin'ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampi-vato ny tenanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33307D3A-A0DE-44D4-BA3D-BAD38096A66D
8
Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin'ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin'ny mponina tao Sokota ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72144088-D32F-4237-B50B-07E26FE25061
9
Dia niteny tamin'ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B7D9821-9CE1-4B21-A9A7-A37EE465765F
10
Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin'ny miaramila teo aminy, tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|729795D3-EF68-4F32-8FB4-B4F01116804E
11
Ary Gideona niakatra tamin'ny làlan'ny mpitoetra an-day, atsinanan'i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45605989-783C-4F6C-AC7F-368DE5B0F678
12
Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A26132B5-8AE2-4EFF-991B-231329E45BB0
13
Dia niverina avy tamin'ny ady Gideona, zanak'i Joasy, avy teo amin'ny fiakarana Heresa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABF5F868-6406-44B4-9431-572188C861E3
14
ary nisambotra zatovo tamin'ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan'ilay zatovo ny anaran'ny andrianan'i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BD1B0A8-E5D1-4527-BABE-D8E81A0933A7
15
Ary Gideona dia nankany amin'ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon'ny tànanao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE2BE649-45E3-41DE-AB18-A214E1AF2F41
16
Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4993BF8-33A4-46B7-8DFD-D290890B7A8C
17
Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07EF12B7-D48A-48C8-B6CE-47B20AE9AE3D
18
Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara'Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'Andriana avokoa izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F42E0130-8B27-463E-BA44-09D6B9ACAE75
19
Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko, ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko hianareo, raha novelominareo ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11145023-696F-4A0B-966D-58FDD1E87A0E
20
Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F66682D3-6FA2-4076-B7FE-B18536DE32CD
21
Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka hianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an'i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin'ny vozon'ny ramevany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16019671-F474-4052-98D6-4584FB3C2744
22
Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay hianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tànan'ny Midiana hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEC60507-1AE0-41B5-B343-1BF6EEC2675E
23
Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A37000C4-C3C8-4554-960B-0546D50F88FA
24
Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin'ny babony avy hianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1166022A-20F7-4F62-9891-A3362F1E5804
25
Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin'ny babony teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CF26C8C-BAE9-46A5-B5A1-59B451937122
26
Ary ny lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin'ny vozon'ny ramevany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9733BB23-B193-422A-A2DC-500D79E4953E
27
Dia nataon'i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin'i Gideona sy ny ankohonany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2A715AD-5E88-45A2-94EB-9E03639770B2
28
Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1DFB711-5E13-4B66-9E83-C496709BBA8C
29
Dia nandeha Jerobala, zanak'i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E8FB58B-4AAE-4DFB-B9C2-5E04955857A4
30
Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany; fa maro vady izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A5316B9-2EAB-4F15-B9CF-EDF62CEEC9B1
31
Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|035750A6-6497-466E-BE6C-E61659EB8C01
32
Dia maty Gideona, zanak'i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin'ny fasan'i Joasy rainy tao Ofran'ny Abiezrita izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AF5513F-7475-401F-8713-CFFCF49BA035
33
Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak'Isiraely ka nanao an'i Bala-berita ho andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F03BA080-A9CA-42F1-9983-B7A3DB76BB1E
34
Ary ny Zanak'Isiraely tsy nahatsiaro an'i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin'ny fahavalony rehetra manodidina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0562DCA-C47A-4593-9B59-4D4ECC2A14E4
35
sady tsy nanao soa tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E0A1DD8-22CC-46E0-AF38-27F46709B90B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany