Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Abimeleka, zanak'i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin'ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin'izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny nano hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89DA3297-312E-4973-8066-9BB1BC790A04
2
Mba mitenena hianareo eo anatrehan'ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan'izy fito-polo lahy zanak'i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan'ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|135A1CB6-FA5F-4834-B9EB-AFB9ACE553D4
3
Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan'ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon'ireo dia ta-hanaraka an'i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0A64290-8F3E-46C2-9497-9C68D342D97F
4
Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon'i Bala-berita izy, ary nanambazan'i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B483B575-7420-4497-A2DB-98AC717BA80D
5
Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak'i Jerobala, teo ambonin'ny vato iray; ary Jotama, faralahin'i Jerobala, no sisa velona, satria niery izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B96D4CA0-38AB-4215-A62F-6FFBE6404DE6
6
Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo[Heb. fiarovana.*] ka nandeha nampanjaka an'i Abimeleka teo anilan'ny hazo terebinta, akaikin'ny tsangambato any Sekema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A36A3C2A-185C-4CEB-A2DB-ED147243D02A
7
Ary nisy nilaza izany tamin'i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy hianareo mponina ao Sekema mba hihainoan'Andriamanitra anareo kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F0F0745-9510-4BD2-A48C-8C1BA7555B74
8
Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin'ny oliva: Manjakà aminay hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F742161-29A4-46C5-ACB0-AD51DD042251
9
Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan'ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina ery ambony hazo aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10C9E697-4FE5-4AA6-AB91-8E995C099902
10
Ary hoy ny hazo tamin'ny aviavy: Avia hianao, ka manjakà aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15837422-9690-48B2-BA98-1921724305D7
11
Dia hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina ery ambony hazo aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5AD373D-ECDF-4FB6-AE15-93A86497FCF5
12
Dia hoy ny hazo tamin'ny voaloboka: Avia hianao, ka manjakà aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|283810E6-E0B0-463C-AC9C-0103E560A112
13
Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina ery ambony hazo aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C141B7C-5D05-4305-9809-1E5EB734CDB9
14
Ary hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilo: Avia hianao, ka manjakà aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AE4D73B-FD35-4E20-B153-3460371A9CB5
15
Fa hoy ny tsilo tamin'ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia hianareo ka mialofa ato amin'ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin'ny tsilo ka handevona ny sederan'i Libanona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F5ABB05-2007-4721-BBEF-B17D36A53155
16
Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin'ny nampanjakanareo an'i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin'i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon'ny tànany izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|154374AC-336C-44ED-9AC4-49DBA4AA9E92
17
(fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin'ny tànan'ny Midiana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5423961-6921-4BBB-8785-407DB6EF4CA8
18
nefa hianareo kosa niodina tamin'ny taranaky ny raiko andro-any ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin'ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin'ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),--
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1CDC7E2-F36D-4A92-9EF0-B0873A279BEA
19
koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin'i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin'i Abimeleka hianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD65C5D8-C6E7-4475-A59A-E4A523F084FF
20
Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin'i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin'ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an'i Abimeleka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BE489D3-1875-44AD-BEEF-B965ACA94DAD
21
Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an'i Abimeleka rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08F494D1-6C98-4C65-AB16-0723FF67A263
22
Ary rehefa nanapaka telo taona tamin'ny Isiraely Abimeleka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ABB061B-DE21-4488-92F2-3B536BF4B3CD
23
Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin'i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an'i Abimeleka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|003FF71D-C729-4290-A8C8-E86D1C339285
24
mba hitsingerenan'ny loza natao tamin'ny namonoana ny zanak'i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an'i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA81F4E6-8E00-495D-94F2-5590D79EB064
25
Ary nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo tamin'izany làlana izany; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F5D59E9-2E88-44BC-9E50-C6ABADD2334A
26
Dia tonga tao Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2179116-D1C3-4F79-A963-91342E8A41CD
27
Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon'andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an'i Abimeleka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FA43912-07E7-435C-AE16-B4CA14B5DA7F
28
Ary hoy Gala, zanak'i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak'i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak'i Hamora, rain'i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46019380-3E30-41EE-B961-61D701253005
29
Ary enga anie ka ho eo ambanin'ny tànako ireto olona ireto! dia hoesoriko Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3B0C2B7-1B66-40A8-9B61-3A669BC4A364
30
Ary rehefa ren'i Zebola, komandin'ny tanàna, ny tenin'i Gala, zanak'i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D5443F1-1845-4465-98CE-390469C6E561
31
Dia naniraka olona mangingina tany amin'i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33154906-6CAD-4054-8D28-2E3814698CE4
32
Koa ankehitriny, miaingà alina hianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06808749-20E5-4588-8F18-FA09DC686206
33
Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa hianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy amin'izay zakan'ny tànanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|340F9E86-28EB-4905-9F04-66D61DC0E0FD
34
Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin'i Sekema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F1E97A6-A8C9-48AD-98CD-EE682D9CE228
35
Dia nivoaka Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55A78380-7920-4EDA-BB83-3F2113528F0B
36
Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|316D0D96-0699-48FE-B3FE-F7FEEEB6C93F
37
Dia niteny indra Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin'ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin'ny làlana eo amin'ny hazo terebinta Meonenima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3342A25F-FF9A-41CA-9CC2-8C07DDCD5A0C
38
Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49DD24FA-0371-44A7-AFA6-73F35FC21DCA
39
Dia nivoaka teo anoloan'ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin'i Abimeleka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B0A387E-2FF0-42E0-9F00-044405F14699
40
Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan'ny vavahady aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E62DD36-799E-452A-92FD-11A481156820
41
Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an'i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|025BF792-F240-4EAB-9C53-3E751DB98EC8
42
Ary nony ampitson'iny dia nivoaka ho any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4325A98B-B645-47A9-B7CE-0EB7726EDA87
43
Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|667A62EB-0993-44F6-BD47-256934BFF343
44
Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30CAD5BC-F127-426A-89ED-215373046554
45
Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC90D632-EA92-4BD8-B40E-F35D2009990D
46
Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin'ny efi-trano fierena tao an-tranon'i Berita andriamaniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8F33212-6E73-49FA-982E-CD50272FBA1F
47
Ary nolazaina tamin'i Abimeleka fa tafangona tao amin'ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA63C052-99AE-4F1F-8068-FBCA22E309BE
48
Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F449BC6B-26EE-4272-AD73-C1C6615BDD62
49
Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an'i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin'ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24E23C43-73DF-437C-BA72-874488309755
50
Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin'i Tebeza ka nahafaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06950C70-079B-4A0E-900B-2119B076A8E5
51
Fa nisy tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon'ny tilikambo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4A334E8-CDEA-43FD-9504-74FDE382C8D2
52
Ary Abimeleka nankany amin'ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran'ny tilikambo izy handoro azy amin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE938765-EACD-477E-A83D-D2576056E577
53
Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95A0647B-D5D2-4FCC-B725-B4677AB055AB
54
Dia nantsoin'i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CAF69AF-9684-4FE4-9369-5FAA2D8E7F25
55
Ary rehefa hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin'ny fonenany avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|567F85CE-7F7B-4359-AE5E-4034FE58288D
56
Izany no namalian'Andriamanitra ny ratsy nataon'i Abimeleka, izay efa nataony tamin'ny rainy tamin'ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|534BAB3B-9A43-47CB-B04D-7CF09389A996
57
Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02C2B8A7-348D-4671-AE4B-8C865E75CDD7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany