Rota 1: 1-22

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro nitsaran'ny mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin'ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny zanany roa lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F86EF417-7F91-4AE8-BE52-340BC1DAC8C1
2
Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran'ny vadiny, ary ny anaran'ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efraita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin'ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0ABD0DEA-7066-4E06-8C82-619756482114
3
Ary maty Elimeleka, vadin'i Naomy, ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0577A176-8E7E-459A-9E34-EB7BAE9781AD
4
Ary naka vady tamin'ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran'ny anankiray, ary Rota no anaran'ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9B7D547-FB85-40DF-956B-2E8BFE3AD282
5
Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|627CF2D9-1AB2-482D-A8E4-E0699E3CA355
6
Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody tany amin'ny tany Moaba; fa efa reny tany amin'ny tany Moaba fa novangian'i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AC38567-0444-4A6D-AEE8-9A0356312EC1
7
Dia niala tamin'izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-d.lana izy hiverina any amin'ny tanin'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC7A87E3-4BF6-40E3-9E3E-928DB2B5EBBE
8
Ary hoy Naomy tamin'ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin'ny tranon-dreninareo avy hianareo; mba hohasoavin'i Jehovah anie hianareo araka izay efa nataonareo tamin'ny maty sy tamiko koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1A1D2F6-95AC-4CAA-A1A1-98E9740ADE96
9
Homen'i Jehovah tokan-trano anie hianareo ka hahita fiadanana amin'izay tranon'ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC16C259-91CD-437A-8372-351EE801CEE5
10
Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin'ny firenenao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A012086-5B38-473E-9CDA-3B73C913F19F
11
Fa hoy Naomy: Miverena ihany hianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko hianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6C34874-79B8-4C13-A738-962592064DDE
12
Miverena ihany hianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|843ADB9C-7664-40ED-9205-F7519EDA89FE
13
moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va hianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny t.nan'i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3933E7EF-A8D5-46C1-8A2C-EA5D5425DB75
14
Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|849BAF80-975F-486F-A677-1D81376FFA2D
15
Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny, ka mba miverena hianao koa hanaraka ny rahavavinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4051138A-F375-49B9-ADB1-46E5ABF17687
16
Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako, ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA62464C-D807-4713-AF84-DBE9F9046539
17
izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02961C7E-8ACC-4A4D-8067-AC0C998E208C
18
Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2217466B-7467-42D9-9AC8-44F673312B3E
19
Dia nandeha izy mianaka mandrapahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanĂ na rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37B3EFC5-43DF-4AD9-8ABD-CB351416E37B
20
Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon'ny Tsitoha tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|887ACB43-0152-4D68-8235-F2A5258CAB73
21
Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsanga-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa mampahory ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B4901EE-E214-4C33-95D4-E96C3ECE8426
22
Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy, nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|193DA3D8-A1E6-4BC1-89C8-C1FB3780FB7A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany