Rota 2: 1-23

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nisy havan'ny vadin'i Naomy avy amin'ny fokon'i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1D91AB7-F68C-48F7-8F82-27F437FBC3F1
2
Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin'i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian'izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02170064-050F-4E42-829B-8E9960DEE1CF
3
Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian'ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin'ny tanimbarin'i Boaza, izay avy amin'ny fokon'i Elimeleka, izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42B0C93B-A9F8-47B7-88EA-FF5DAB62DFB4
4
Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin'ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|416653B0-0A87-4BBE-BE61-4C4A134C2463
5
Dia hoy Boaza tamin'ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak'iza moa io zazavavy io?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0129BCB5-BC7D-4701-AC97-E0A4198AB373
6
Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an'i Naomy avy tany amin'ny tany Moaba io;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D949A272-902B-4D1B-B95F-FE0A22FC7039
7
fa hoy izy: Masìna hianao, aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian'ny mpijinja eny anelanelan'ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin'ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B4AAC61-7128-4DC2-8BDF-87525960FDF4
8
Dia hoy Boaza tamin'i Rota: Tsy mandre va hianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto hianao, fa mitoera eto anilan'ny zatovovavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|024947E4-8ECE-4D4F-92EB-7BB6D420830C
9
Aoka ny masonao ho amin'ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany hianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta hianao, mankanesa eroa amin'ny siny, ka misotroa amin'izay antsakain'ny zatovo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62EC675D-AA68-42C3-9E43-D7A73A8F8D17
10
Dia niondrika sy niankohoka tamin'ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eo imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F1FA7E5-A74F-48EC-98CF-D100B20F7809
11
Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin'ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan'ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin'ny tany nahaterahanao sy ny nankanesanao aty amin'ny firenena tsy mbola fantatrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C9620A5-04AA-40DD-ADFE-4FE2DEAEA822
12
Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie hianao, satria avy hialoka eo ambanin'ny elany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AD7300F-A30D-40B0-A0B3-879B3247C521
13
Dia hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy hianao, ary efa niteny mora tamin'ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin'ny zatovovavinao aza aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E636D9F-4C68-4DD2-B4BF-A613CFCD1334
14
Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa aty, ka mihin.na mofo, ary atsobohy amin'ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan'ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EEDA947-B95C-4E53-B039-8F31AF6E2788
15
Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian'i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan'ny amboara aza, ka aza maninona azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6865382C-124D-4819-94EF-29B614E7796B
16
Ary asio latsadatsaka avy amin'ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza rarana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A59AC1D-C74B-4503-B436-50D4D8FD11FB
17
Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan'ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EADE477-BF37-41BB-9C96-551133815A69
18
Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan'ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin'ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|025D1525-703C-48AE-928E-566B9AAE988F
19
Dia hoy ny rafozani-vavy taminy: Taiza no nitsimponanao andro-any, ary taiza no nanaovanao? Hotahiana anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin'ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany, ka hoy izy: Boaza no anaran'ny lehilahy, izay tompon'ny tanimbary nitsimponako andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E1BBEB9-BD8E-400A-9F76-304CAE866270
20
Dia hoy Naomy tamin'ny vinantoni-vavy: Hotahin'i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin'ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan'izay mahavotra antsika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD8D3B84-2302-47B5-A150-9C399500817F
21
Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan'ny zatovoko hianao mandra-pahatapitry ny fijinjana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49DF0887-4297-48BB-9F66-A61A35DB04FD
22
Ary hoy Naomy tamin'i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin'ny ankizivavy hianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD670697-B757-4787-BDC7-38C1B4D157C6
23
Ary izy tsy nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritrika; ary nitoetra tao amin'ny rafozani-vavy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21F7C3E4-2AE0-4EBC-91B0-A0D8351CF9D2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany