Rota 3: 1-11

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokantrao hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48E3CE73-9718-40A6-8576-1880D7E691A5
2
Ary ankehitriny, tsy isan'ny havantsika va Boaza, tompon'ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40B7D72D-0DC8-4D25-AD4E-B92D7A1A34D7
3
Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory hianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|454B3FB0-CA25-40B9-983F-7B3AF012833F
4
Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo hianao; ary holazainy aminao izay hataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E5110E5-1621-467A-8B1F-FF2B4ECD5DEF
5
Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93D96A4F-0D4D-4678-8F66-166BEF088BC5
6
Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian'ny rafozani-vavy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFE969C7-1D69-4F48-A1BE-6787F9C06090
7
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin'ny faran'ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE9DDB34-FD9B-478C-A927-2D51514AA05C
8
Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|032935E0-F5C7-4B06-8C54-7499419C8BE5
9
Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EC32950-E3C5-485E-9AC3-FA3026D19121
10
Dia hoy izy: Hotahian'i Jehovah anie hianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin'ny ato aoriana hianao noho ny tamin'ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0125838-FC5F-4AD4-9239-BD471DBFE6AA
11
Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr'izay rehetra ao an-tanànan'ny fireneko fa vehivavy tsara hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CA22999-3D03-4ED1-9AAA-1DCB41E1F942
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany