Rota 3: 9-13

Andininy
Protestanta Malagasy
9
Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EC32950-E3C5-485E-9AC3-FA3026D19121
10
Dia hoy izy: Hotahian'i Jehovah anie hianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin'ny ato aoriana hianao noho ny tamin'ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0125838-FC5F-4AD4-9239-BD471DBFE6AA
11
Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr'izay rehetra ao an-tanànan'ny fireneko fa vehivavy tsara hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CA22999-3D03-4ED1-9AAA-1DCB41E1F942
12
Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6DAD074-B075-4EFE-9697-B5C078048152
13
Mitoera ihany aty anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha t.hiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany hianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany aty mandra-pahamarain'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14926110-1371-4701-AC9F-EC993EEF3718
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany