Rota 4: 1-22

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71B33ED2-3D64-41EF-B112-0BB99793CBB1
2
Dia naka folo lahy tamin'ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto hianareo. Dia nipetraka ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC417B04-585A-47EA-B0DA-8CBB91F7608E
3
Dia niteny tamin'ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin'ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an'i Elimeleka rahalahintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C832482-6FAC-4B30-B51D-21562C5F4DEE
4
Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eto anatrehan'ny loholona amin'ny fireneko izany. Raha hanavotra h ianao, dia avoty; fa raha t.hiny tsy hanavotra hianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy hianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC5B7C4F-23BE-4760-AFE9-FBACB3015F5B
5
Dia hoy Boaza: Amin'izay andro ividiananao ny tany amin'ny tànan'i Naomy, dia amin'i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5D79960-121B-4075-AF34-889753D64D8E
6
Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7406E9C9-D8AC-4713-B585-8D2BC625F549
7
Ary ny amin'ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin'ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin'ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an'ny namany; dia vavolombelona teo amin'ny Isiraely izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BA038AC-98FC-4684-A3E6-852573BEA182
8
Ary hoy ilay havana mahavotra tamin'i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|813FAAC0-ADB3-4F09-8C31-DB63D8127226
9
Ary hoy Boaza tamin'ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona andro-any fa efa novidiko tamin'ny t.nan'i Naomy izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona sy Malona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C9F98B7-7147-472F-A099-2889F498B6B4
10
Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran'ny mato eo amin'ny rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany; hianareo no vavolombelona andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|952C0582-AE86-41EA-804A-F8F0106D6E27
11
Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon'i Jehovah tahaka an'i Rahely sy tahaka an'i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon'ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie hianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBA4E2AD-89A9-49E5-85DA-AF045F285B9A
12
ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C5CC5AB-669E-414C-BF79-08801EE06744
13
Ary Boaza dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan-anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67142392-7EC3-44AB-8F27-F9BDA9F58832
14
Ary hoy ireo vehivavy tamin'i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao andro-any tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70351D2E-C01C-43CE-B5D3-5E866653247B
15
Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra hianao; fa niteraka azy ny vinantonao-vavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C15D5A7-34BB-4A66-8671-074B97C72EDC
16
Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A162EC4-8FF9-4605-ACCB-0751B106CAD0
17
Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka hoa an'i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain'i Jese, rain'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEAC680A-CF43-481D-8282-FEDABD6EAEFA
18
Ary izao no taranak'i Fareza: Fareza niteraka an'i Hezrona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19F82A0A-23B6-4EB0-B5E1-83F09D8DACD9
19
ary Hezrona niteraka an'i Rama; ary Rama niteraka an'i Aminadaba;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8D9FDE7-A5E1-4523-BC87-A1BACC31A1F5
20
ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4C72681-6F79-4FCE-9DE8-C68E1A1DD7D0
21
ary Salmona niteraka an'i Boaza; ary Boaza niteraka an'i Obeda;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53AF8661-3AEF-47B7-A1AA-F17C311A0E4E
22
ary Obeda niteraka an'i Jese; ary Jese niteraka an'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A45A07EE-85A4-466C-9122-85B7B4021897
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany