ISamoela 1: 1-28

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany zanak'i Jerohama, zanak'i Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3123EC2-9633-4ED6-9877-3F75554B9586
2
Ary namporafy izy, Hana no anaran'ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran'ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99DE878C-DB4D-4AC3-BFED-61F1C2E9EE36
3
Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73E26746-65FE-4E5D-BD2B-BBB0B0F85ACB
4
Ary tamin'ny andro namonoan'i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9440B87-ECDE-4A1B-AA9D-201C3BF94560
5
Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CB54C1D-D8D9-4DF0-AACC-6C3C9B7F4227
6
Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan'i Jehovah azy momba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D754292B-A6ED-4BA4-9391-C40C83A1AD9E
7
Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C913639A-8237-4A88-BA93-B261ECE6A8E5
8
Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF611153-4B5C-494C-92EC-A094F0230326
9
Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A7F8025-CA63-446C-BD41-D9101C9F6426
10
Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin'i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE8DC9E6-42D3-4CDF-92B2-0964878E8C6E
11
Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon'ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an'i Jehovah kosa izy amin'ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB40CE5E-8FAD-4C76-9373-9B01150C39A4
12
Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan'i Jehovah izy, dia nodinihin'i Ely ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E1B4EA1-63D8-480A-8D72-0479D4B2CAF5
13
Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon'i Ely fa mamo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08EFB746-3981-4878-BFB2-39A887214332
14
Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47AFAB82-1E52-442D-AE44-8C92D59AD1FD
15
Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|813A5C6E-5CE5-43CD-BABA-C7E44A0C1F98
16
Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben'ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2253638-D42C-47B6-9F68-3F1E0F325C7F
17
Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen'Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C92AC5DC-1F0E-4468-A764-B30E864CE1D4
18
Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AFACB0D-3B9F-4DFE-B2EE-E583A37038BF
19
Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9CC68A5-E65A-4BDF-ADF7-F831C269996F
20
Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela*, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin'Andriamanitra (?)]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93D74312-F806-4038-8216-4A2D8FC9CF06
21
Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4C07135-9A35-4854-AB7D-FEEEB4FF88B5
22
Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin'izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|543B3359-82AE-42B4-8528-0539E0AE145C
23
Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59E833F2-FE9E-4BED-924F-DEBD95C65205
24
Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy telo* sy koba iray efaha ary divay iray tavoara**, ka nentiny ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.[*Na: (izay efa telo taona)][**Na: siny hoditra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B6FF368-9339-4514-ABC6-17B1E913220E
25
Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin'i Ely ny zaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F83E7D7A-347B-4001-B6BE-F9937BA0E8D4
26
Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6722937E-6007-4D46-92E2-95DB60732E49
27
Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C22E1C9A-3CF2-495A-9965-A0FD0CD2C59C
28
Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD233251-F70B-4933-91AD-B08C7D8F3FCE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany