Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A953D64-2F4D-4B8E-89BF-22DCAFCD111B
2
Ary Saoly sy ny lehilahy amin'ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin'ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin'ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8837E962-A087-4B73-8182-C858482B71FB
3
Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73920ABD-2C4E-4D16-BD7A-D09228E4677C
4
Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D06D471B-665E-4EC4-B0F7-580D2528C240
5
Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra*, ka ny lanjan'ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68208C0A-C131-47C4-8AF6-DBBEC17B296C
6
Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin'ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A99EA224-0B08-4C3E-B8E0-829EC7AF1FCD
7
Ary ny haben'ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17F597D2-7D94-48B7-B9CF-B60372AB8387
8
Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon'i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina ety amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E88E808-8EF0-40B3-BEF7-18AE72E6E93C
9
Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66FF997B-63D0-40D5-8EA0-673E81DAB40D
10
Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan'ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEB9E332-1482-44F9-B991-11A2742FBD67
11
Ary raha ren'i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin'ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A9ECA3A-736D-42F0-BFC0-9CA87DE6EACE
12
Ary Davida dia zanak'ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin'ny andron'i Saoly;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EAFB5B2-FB70-4983-B173-EEC243B93957
13
ary ny zokiny telo lahy tamin'ny zanak'i Jese lasa nanaraka an'i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran'ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABDEA80B-93A1-42FE-AA0B-3A906A5F6C34
14
ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an'i Saoly;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85587FF3-FECC-4726-8201-88CA44CEAD83
15
fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin'i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47648A52-D727-4D11-AD19-A755CA5475C5
16
Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBC5C341-DEBB-40FA-AFAA-F76F11774BF3
17
Ary hoy Jese tamin'i Davida zanany: Ento ity lango eran'ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an'ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin'ny rahalahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9D9EAEF-B835-41FF-AE4A-2FFA9D884AF5
18
Ary ento ho an'ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E55E18E-1A4A-41AC-AC29-0A2C9BACFFB8
19
Ary Saoly sy izy telo lahy mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely dia teo amin'ny lohasaha Elaha niady tamin'ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|731FF59A-8B4C-40EB-80F9-6FF2FE6C9629
20
Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman'olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian'i Jese azy; ary tonga teo amin'ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon'ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin'izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE8BE23E-C1A4-472D-BE5D-CE11334F29DE
21
Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAA2BF6D-4850-432F-9D8C-1E055D09706E
22
Ary Davida namela ny entany teo anilan'ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin'ny laharan'ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin'izay toetry ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66A8450C-9E54-44B3-8439-9D298F45A7D6
23
Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin'ny laharan'ny miaramilan'ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata, Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD489884-97C5-4FDE-ABC2-493EF4EE18A7
24
ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95D90FA3-342E-444F-9766-9A64FD22F0B8
25
Ary hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny tarana-drainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BF6DF71-412D-4F21-A2A2-6ED916D295D4
26
Ary hoy Davida tamin'ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF509D93-EA12-4435-82A0-93EF78CCB6A7
27
Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin'izay lehilahy mahafaty azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4AF4A3D-8375-46F8-84C0-1B922065AF84
28
Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin'ny olona dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midina ety? Ary amin'iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao ety.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55D764CC-A4A7-4B52-8087-E65E404B0CB1
29
Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7311CAC-F72E-4F63-BADF-3834425F4A76
30
Ary niala teo aminy hankany amin'ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4145A923-AAAF-41A1-AC1B-2719CFB15865
31
Ary nony ren'ny olona ny teny izay nataon'i Davida, dia nambarany tamin'i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25709E0F-51BC-465A-993B-FF973D6CF36E
32
Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin'io Filistina io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7437EAE4-291D-41B2-A9BC-0C3AF136C918
33
Fa hoy Saoly tamin'i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBCB165D-9661-4361-A109-F109E1AE9383
34
Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ED8C11B-2FEA-48ED-B3E2-610ABE7329AE
35
dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|299F801E-B972-4B6A-9035-0CF50E43D5F5
36
Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55DCB008-56C2-485F-8B6E-DF6748D1DEED
37
Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A60F4A9A-3927-49EB-9F20-65BE3B0F1794
38
Ary Saoly nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra*.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|468377CC-DE82-4511-BB44-1F29DAEADC79
39
Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7A62B7F-0974-4F40-849C-C4A3BE8FED7B
40
Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|760E2109-49BB-4CEF-BB68-7BAA4C744B83
41
Ary ilay Filistina nandroso nanatona an'i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64FF489F-BAF3-4251-8B3D-803CF790074C
42
Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo* no tsara tarehy.[Na: tendron-tava]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D66F4AD-A406-4EC8-9E36-48D5F4B97ADF
43
Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|403A3DD2-E280-4228-81CE-11459215455D
44
sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia ety amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E807807A-9F4B-44E8-AF10-D7A2F5A22C61
45
Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64FA36EF-FD5E-465C-8666-E8C140253235
46
Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF6605E4-123B-462C-8AB3-90762245A6DC
47
Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37954C13-FBDA-4B8B-9904-980E210B3922
48
Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5DBEF84-F098-480A-AFF7-7A64ABF22D1F
49
Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A45C2E2-80CA-4948-B187-DCD0F453A0F3
50
Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37ED78A6-3767-463C-85A3-E2B223938FD0
51
Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9E88D0B-6A22-4CDA-83FE-A78A0FDF27E6
52
Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin'i Gay* sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.[Na: (Gata)]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BCF5047-2356-40A4-9C64-651ADA751EB7
53
Ary ny Zanak'Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00B77907-FBEF-4B6C-9CFC-5F97B8261D55
54
Ary ny lohan'ilay Filistina dia noraisin'i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin'ny lainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E62F503A-DEB4-4FA1-91EF-BBDB18EC1A3E
55
Ary nony nahita an'i Davida nandeha hiady tamin'ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, komandin'ny miaramila: Ry Abnera, zanak'iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA835A64-A56B-46ED-8A64-A81D25A10E9C
56
Ary hoy ny mpanjaka: Anontanionao na zanak'iza na zanak'iza iny zaza iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|013ED913-C576-4795-844B-654A64D9C53D
57
Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain'i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan'i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan'ilay Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8ED6050-C8D1-4EF2-B2A3-9A0AFB8C59B6
58
Dia hoy Saoly taminy: Zanak'iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59D21220-532C-4478-B65D-F17C51B6EC00
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany