Andininy
Protestanta Malagasy
12
Ary ny zanakalahin'i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|101ACE8C-854B-417A-A850-9BA0D7A5ECF6
13
Ary izao no fanaon'ny mpisorona tamin'ny olona: Raha* nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon'ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,[Na: tsy nahalala an'i Jehovah, na ny tokony ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9632DC0-0693-4199-AF50-6052913BF6FE
14
dia natsindrony tao anatin'ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin'ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon'ny fitrebika tao dia nalain'ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin'ny Isiraely rehetra izay tonga tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5930F8E5-DB25-433F-93FD-F08CC0A21D65
15
Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao tamin'izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an'ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBB89634-1858-466D-B3E1-E4FB511FE7E1
16
Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|161B7166-2C22-4F35-A735-8F3E1F134AE1
17
Ka dia lehibe indrindra ny helok'ireo zatovo ireo teo anatrehan'i Jehovah, satria halan'ny olona ny fanatitra ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4135CD21-6373-4D17-8B8E-845F28489BC2
18
Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan'i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A934119-A847-4F1B-9935-007DFD09576E
19
Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha niakatra tamin'ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E30C8F9-E75D-45C5-8788-B657FC91373E
20
Ary Ely nitso-drano an'i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A66FD75D-1A54-4090-A17E-8707C292AA6D
21
Ary Jehovah namangy an'i Hana, ka dia nanan'anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F82C94C8-A80B-4248-AFC4-F5EEE5A5A885
22
Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy tamin'ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2D68F47-DB76-499E-AA38-A35670FE84A3
23
Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin'izao olona rehetra izao ny ratsy ataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86D96B11-034A-4343-BBB4-415BFF50CB22
24
Tsia anaka, fa tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon'i Jehovah ianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7986E5D-076F-41C8-A245-C8631CF70FDD
25
Raha misy olona manota amin'olona, dia ny mpitsara* no hitsara azy; fa raha misy manota amin'i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak'i Jehovah ny hahafaty azy.[Heb. Andriamanitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEAF011A-60D7-41ED-8223-202DCD814E92
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany