Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an'i Keila ka mamabo ny ao amin'ny famoloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B077E90-8006-486D-8AB7-539E9074BBC6
2
Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin'i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FF05227-393C-4986-98AD-1DD439BEC081
3
Ary hoy ny olon'i Davida taminy: He! aty Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin'ny miaramilan'ny Filistina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12618619-E81D-4396-AFFB-2243DD86E1D5
4
Dia nanontany tamin'i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9580D43-2C4F-4944-8161-2E190C1868F2
5
Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin'ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin'i Davida ny mponina tao Keila.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|347F5583-74DD-4188-9394-C545DA3BF295
6
Ary raha nandositra nankany amin'i Davida tany Keila Abiatara, zanak'i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|832F2581-97A2-4DA8-A113-DD02EF721A4F
7
Ary nambara tamin'i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin'ny tanàna misy vavahady mihidy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51C30A7C-70CA-4527-B5EE-5E70EA8904D7
8
Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i Davida sy ny olony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|865039FD-47B1-488A-88BF-7CD5EE0A04C2
9
Ary fantatr'i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin'i Abiatara mpisorona: Ento ety ny efoda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1846690E-9960-4C67-937F-FD5D8D5F0AA7
10
Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren'ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankaty Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46A0E20D-DD75-4600-ACC2-8289F6A356D4
11
Ka moa ny mponina ety Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina ety va Saoly toy ny efa ren'ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin'ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2428F8B0-ADD0-4EE8-898F-5632CEBCB6BE
12
Dia hoy Davida: Ny mponina ety Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan'i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C961173-ECD7-4B14-A56D-21843A0B1940
13
Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin'izay azony naleha. Ary nolazaina tamin'i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B640CC6-38C5-4E65-BBEE-031C4E547FED
14
Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin'ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin'ny tany havoana tany an-efitr'i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan'andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16A139F7-B71C-4525-86ED-FB40870C2419
15
Ary hitan'i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr'i Zifa tany anaty ala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD3FCAAB-AF93-45A2-A450-60C45972F4D5
16
Ary Jonatana, zanak'i Saoly, niainga, dia nankany amin'i Davida tany an'ala ka nampahery ny tànany tamin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|058057E3-4276-4477-94B2-62E5135572E4
17
Ary hoy izy tamin'i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan'i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin'ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr'i Saoly raiko koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88CCBBD0-D413-48B6-BC29-2988C66894C1
18
Ary nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an'ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9283D8FA-09B0-42F6-BDB4-30073C6A7A93
19
Ary niakatra nankany amin'i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin'ny batery fiarovana any an'ala, any amin'ny havoana Hakila, izay atsimon'ny efitra, va Davida?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE6CDE73-55DA-458C-BAEB-18479B47944B
20
Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian'ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan'ny mpanjaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A7936DC-B0A3-4D00-9296-15D7EB144384
21
Ary hoy Saoly: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA197F05-8E40-4A50-9069-693DDE13B093
22
Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B671952-4EE8-492D-A3AE-4B48229A080A
23
Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena ety amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin'ny tany izy, dia hotadiaviko eran'ny arivon'i Joda rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7B55D32-1B94-44FC-A1CB-4B11F2ECF52C
24
Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an'i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin'ny efitr'i Maona, tamin'ny tani-hay* atsimon'ny efitra.[Heb. Arabà]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FB3EFF6-8376-4A7A-B239-928B89702FDF
25
Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin'i Davida izany, ka dia nidina tany amin'ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr'i Maona. Ary nony ren'i Saoly izany, dia nanenjika an'i Davida tany an-efitr'i Maona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|270DE764-BE6B-489F-834A-CC5FC2DFFDE5
26
Ary Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin'ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an'i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an'i Davida sy ny olony hisambotra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|165030A1-33D8-4D6D-930D-17D143A2945B
27
Dia nisy iraka tonga tao amin'i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4064D58E-9911-4B49-9B28-2C02D2E172CF
28
Dia niverina Saoly tamin'ny nanenjehany an'i Davida ary nandeha niady tamin'ny Filistina; ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota*.[Sela-hamalekota = Harambato fandosirana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50AA29AE-7511-412A-8E34-D7EB06EE954D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany