Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Davida niakatra niala teo ka nitoetra tao amin'ny batery fiarovana tany En-jedy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84AA8108-D81A-40C5-B3B1-7F08BDDB731F
2
Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr'i En-jedy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|433B1DEA-ED08-43EF-9ECD-25178E7B7C4B
3
Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an'i Davida sy ny olony tany amin'ny vatolampin'ny osi-dia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4FF542A-D082-487B-8F10-B006D57DB72D
4
Ary tonga teo amin'ny valan'ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin'ny zohy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ABF266A-4CD6-464A-B47A-8434B38AEEEF
5
Ary hoy ny olon'i Davida taminy: Izao no andro nolazain'i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin'ny kapôtin'i Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|796EAFB8-8D39-4BC7-96A4-AA27C11BE091
6
Nefa nony efa vita izany, dia namely an'i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin'ny kapôtin'i Saoly,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2553CA80-0086-463F-9661-4543EC8D0A98
7
ka hoy izy tamin'ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko izay voahosotr'i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAB09A4B-C58D-4DE3-9D4C-FA43814AF1BE
8
Dia nampijanona ny mpanompony tamin'izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an'i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin'izay nalehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF359A23-22E7-4598-B0B9-0C8C24260034
9
Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an'i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin'ny tany Davida ka niankohoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2362709-813D-4854-BFDD-AF9797A59CE7
10
Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan'olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9433E822-19F9-4D70-9389-26C4FFB29E0A
11
Indro, hitan'ny masonao androany ny nanoloran'i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho, fa voahosotr'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DA68A08-FF17-4B4A-8220-74294449613A
12
Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin'ny kapôtinao ety an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin'ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin'ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|891CD712-E6C8-4A03-9AFC-BE1CBCD5F932
13
Jehovah no hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba haninona anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4A0C5CF-7C72-43AA-BD54-A4E11E0FD432
14
Araka ny lazain'ny ohabolan'ny ntaolo hoe: Avy amin'ny ratsy fanahy no ivoahan'ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6A6C7F0-9007-4EA6-A3CC-114121952D65
15
Hitady an'iza no nivoahan'ny mpanjakan'ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7B55143-31EE-49A4-B0DE-58DD7BF4F5A8
16
Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin'ny tananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CF16931-91B6-4293-831B-4E753F317C0F
17
Ary nony vita izany teny nataon'i Davida tamin'i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A29AF9CC-D5EE-4919-AD18-9A70F99AF96C
18
ary hoy izy tamin'i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40BC114F-4D6C-4071-BB37-80A9D57DF604
19
Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr'i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|517A15D3-EF39-4B72-84AB-8DC9A359CB25
20
Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian'i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4DDDC23-5195-4EB1-A44B-459ABB9AD15E
21
Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan'ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo an-tananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|223375DE-4B01-4990-BB14-1DE14D52F185
22
Koa mianiàna amiko amin'i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin'ny mpianakavin'ny raiko ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4441317-463C-4B90-BC89-A6C22ECE6681
23
Ary Davida dia nianiana tamin'i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin'ny batery fiarovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4644417-6B08-4876-9EC0-A4146E3E53A1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany