Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny Zifita tonga tao amin'i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96079F9A-58D2-4C94-8394-1298E440BC5C
2
Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr'i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely hanaraka azy hitady an'i Davida any an-efitr'i Zifa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6FC64A4-CC01-4283-AE4B-5FDFF7B5AAAB
3
Ary nitoby tao amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5EB1BF6-1C48-4E84-99E8-52FAF0547389
4
Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1A8880D-6290-43E3-9B18-4FB984EE7CB3
5
Dia niainga Davida ka tonga teo amin'ny nitobian'i Saoly; ary hitan'i Davida izay nandrian'i Saoly sy Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin'ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|805B0C5A-FE75-4401-98CA-701BB1FAE5C1
6
Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin'i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95DF7696-62B5-426B-9CDF-1AD0FC845E53
7
Ary tonga tao amin'ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin'ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo anilan'ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B0DDF72-DA7F-4E56-9A45-D21FA1369A54
8
Ary hoy Abisay tamin'i Davida: Efa voahidin'Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin'ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C903611-FB90-4D00-9FFE-E028A9E9BC18
9
Fa hoy Davida tamin'i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6ECE4E3-2FE0-48F4-A51B-A7332A4AF71F
10
Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin'ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03C7CAD4-0B83-465B-B181-3D9F7FD71F33
11
Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan'ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2F8DCF0-ADBA-437D-BD25-D7629EC6E57F
12
Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan'ny lohan'i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon'i Jehovah renoky ny torimaso izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D828EB0E-4619-48FB-B6C9-DD2C5E5F1FD4
13
Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan'izy roa tonta);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE52458C-57B3-4EF8-B6EE-2E9081586295
14
ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CDD9B39-2139-45AF-ACAA-E9541B152144
15
Ary hoy Davida tamin'i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin'ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin'ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1708C6E6-1DFA-4BE0-BFB9-80DC48766AC3
16
Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr'i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon'ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan'ny lohany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29B70D31-50B4-4215-8340-71509B82C10A
17
Ary fantatr'i Saoly ny feon'i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC81E0FF-AF7E-49E6-8AB4-37E205249763
18
Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin'ny tanako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F25FC8DF-4823-4704-B560-07907D3EF30B
19
Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin'ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak'olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin'ny lova nomen'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B570DA09-A666-4C27-A4A0-6EE5F3AD27BA
20
Koa aza avela ho latsaka amin'ny tany lavitra an'i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B107D2E-CD8D-4D30-A7CA-759C29280E63
21
Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|225E81FE-0D08-4EE0-ACB2-0BA54FC1C67E
22
Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon'ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51923175-642C-488A-A33A-9546A0BBE18C
23
Ny lehilahy izay nanoloran'i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23A69D11-D650-40A6-88AB-B21C321B0657
24
Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan'i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin'ny fahoriana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F06396A2-3C80-4C95-B0A7-B39E8380440F
25
Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|701B2D67-009C-4BA6-A590-49C59617F33F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany