Andininy Protestanta Malagasy 12 Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan'ny lohan'i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon'i Jehovah renoky ny torimaso izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D828EB0E-4619-48FB-B6C9-DD2C5E5F1FD4 13 Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan'izy roa tonta); qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE52458C-57B3-4EF8-B6EE-2E9081586295 14 ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CDD9B39-2139-45AF-ACAA-E9541B152144 15 Ary hoy Davida tamin'i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin'ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin'ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1708C6E6-1DFA-4BE0-BFB9-80DC48766AC3 16 Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr'i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon'ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan'ny lohany? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29B70D31-50B4-4215-8340-71509B82C10A 17 Ary fantatr'i Saoly ny feon'i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC81E0FF-AF7E-49E6-8AB4-37E205249763 18 Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin'ny tanako? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F25FC8DF-4823-4704-B560-07907D3EF30B 19 Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin'ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak'olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin'ny lova nomen'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B570DA09-A666-4C27-A4A0-6EE5F3AD27BA 20 Koa aza avela ho latsaka amin'ny tany lavitra an'i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B107D2E-CD8D-4D30-A7CA-759C29280E63 21 Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|225E81FE-0D08-4EE0-ACB2-0BA54FC1C67E 22 Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon'ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51923175-642C-488A-A33A-9546A0BBE18C 23 Ny lehilahy izay nanoloran'i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23A69D11-D650-40A6-88AB-B21C321B0657 24 Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan'i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin'ny fahoriana rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F06396A2-3C80-4C95-B0A7-B39E8380440F 25 Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|701B2D67-009C-4BA6-A590-49C59617F33F
|