Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A7B0498-5024-408E-A6A6-76CE02BCA413
2
Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Amin'izao dia ho fantatrao tokoa izay hain'ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79F3D44F-872E-4327-9993-8ABAE545A0F3
3
(Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin'i Saoly hiala amin'ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|004B716E-6F6A-4DEB-9499-B0ACFA3840A4
4
Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA51C2DD-9F4E-48D8-AE6C-A99B1ACC359C
5
Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan'ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCBC5BD7-53C8-46EB-900D-25281D506AA9
6
Ary Saoly dia nanontany tamin'i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin'ny nofy, na tamin'ny Orima, na tamin'ny mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D5154A3-8A3E-4DE9-B8D0-C4094626DE88
7
Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1570F6EA-DBC4-4337-AA9E-9D0904750645
8
Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin'ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho ety amiko izay hotononiko aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|372BA92E-95AA-4868-BCA6-17FD1813FC30
9
Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin'ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB82E5C0-1CC0-48E2-8508-5D0E4CA6E1AC
10
Ary Saoly nianiana tamin'i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin'izao zavatra izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D0904A8-BDCB-4603-A98C-DD0B24818535
11
Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho ety amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A5515F4-97A7-41B0-B4D3-43495B2B459E
12
Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin'ny feo mafy izy ka nanao tamin'i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|598E871A-A03F-45C3-89E2-A9114FA89167
13
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin'i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin'ny tany no hitako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF96004D-2F09-461C-9DBE-F3F65FFBAB28
14
Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr'i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin'ny tany izy ka niankohoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|971A1BE6-B8B3-48F4-9C95-7FDF4A754C4D
15
Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin'ny mpaminany, na amin'ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F461D0D-2AF5-44DC-A80F-6C22E3563406
16
Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|211F42A7-B330-4FD9-AE1E-606D85FA9FB8
17
Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin'ny tananao ny fanjakana ka nomeny an'i Davida namanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D4BBA6E-C3B3-4F34-85AD-9F179F6E3BB8
18
Satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin'ny Amalekita, dia izany no nanaovan'i Jehovah izao zavatra izao taminao androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45BA14CD-DA80-4D1E-BC4D-775C37436500
19
Ary hiaraka hatolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho ety amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan'ny Isiraely koa dia hatolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|153DD33C-030D-4630-8249-AFAB4D54FBC4
20
Dia lavo niampatra tamin'ny tany niaraka tamin'izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin'i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9286E738-E665-4762-B7E5-FC064FEB807B
21
Ary nankao amin'i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3AB5938-20D0-4D5B-B625-C607195D67F6
22
Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin'ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin'ny alehanao ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB72DBEE-AB57-449A-BBF3-009F5D020F6F
23
Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BB010EF-DCEE-4465-A229-717DB7172ABE
24
Ary ravehivavy nanana zanak'omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97775B60-44BB-4287-ADD5-B45C54A3FB6E
25
Ary narosony teo anoloan'i Saoly sy teo anoloan'ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin'iny alina iny ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFE8305A-1F42-494E-AEF0-007DE6ED0BEC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany