Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan'ny loharano ao Jezirela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94E038A4-EC74-4986-9E8A-B206C7378A6F
2
Ary ireo andrianan'ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan'arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin'i Akisy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83AB4B01-0ED1-4A79-AC6C-28448E395FE8
3
Ary hoy ireo andrianan'ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin'ireo andrianan'ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon'i Saoly, mpanjakan'ny Isiraely, ilay taty amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CED2BBBC-AFAF-4EAD-827B-24361D7EC541
4
Dia tezitra taminy ireo andrianan'ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin'ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin'inona no hahazoan'io sitraka amin'ny tompony? Tsy amin'ny lohan'ireto olona ireto va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AACE026-C20F-423F-8555-26DC0C4AFE3D
5
Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|780E5596-A106-4ECF-AA85-5BA169FDDF78
6
Ary Akisy niantso an'i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak'ireo andriana ireo ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DFE9282-230D-433E-A135-53868EC84576
7
Koa miverena, ary mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak'ireo andrianan'ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64426B14-FD17-4AFE-B92D-410529868C7D
8
Fa hoy Davida tamin'i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin'ny mpanomponao hatrizay nitoerako taty aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin'ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37DB2CC3-236E-4FA9-8731-4287E7B8F900
9
Ary Akisy namaly an'i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin'Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan'ny Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A63254E-3DEA-4B91-8716-D65DB036107A
10
Koa mifohaza maraina koa ianao mbamin'ny mpanompon'ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CA0FBF7-602A-4CEC-9C40-5F8BE3632235
11
Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin'ny tanin'ny Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|052F6309-4C95-4C9B-BC30-1F7114DCED2D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany