Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana*, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.[Na: Gebea]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B219EF20-701B-4D12-8085-AFA1F6D9DA87
2
Ary hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran'i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak'Isiraely rehetra nalahelo an'i Jehovah*.[Na: nivory ho eo amin'i Jehovah]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1440CF6E-84EA-4EEE-9A36-53FDB8E7EF8C
3
Ary hoy Samoela tamin'ny taranak'Isiraely rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25C665E5-212B-4FE8-9573-BEE2A4DDC9C2
4
Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDE81000-3DAA-4BFC-98FF-B80323119804
5
Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin'i Jehovah ho anareo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0AAEE75-5478-485E-96D4-BE050322DA0D
6
Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Jehovah, sady nifady hanina tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak'Isiraely tany Mizpa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1759B849-F967-400B-BC8A-821A54BF2C77
7
Ary rehefa ren'ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak'Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan'ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak'Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|001BFA4E-7179-4FCD-BB69-06DCB86104BA
8
Dia hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07FC0248-6896-4452-9361-B2FF5B10C60E
9
Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD1FA634-57C9-4F5A-82E2-59B0457BC178
10
Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7B9FBA7-FB5C-4C7D-8EFA-6458986FB993
11
Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin'i Beti-kara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA875152-723E-4927-A021-2D9299C129DA
12
Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera*; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.[Ebnezera = Vato famonjena]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA44D0A6-90A3-45BF-BB0A-3AE690B5E213
13
Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D60C0407-DB7D-42C4-A7F0-EC46E638F688
14
Ary ny tanàna izay efa nalain'ny Filistina tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny Isiraely tamin'ny tanan'ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F4AED69-401A-4348-B316-D7464FCD8E73
15
Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|402944A1-D751-4E14-A938-DE509CD76018
16
Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin'ireo tanàna rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF116282-812F-4598-BE40-14A6277E4344
17
Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD3BC076-B113-4D72-B42B-D0B8E1F9F183
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany