Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nisy lehilahy avy amin'ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak'i Abiela, zanak'i Zerora, zanak'i Bekorata, zanak'i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1DEA774-B6AE-4E86-B8D1-74B5652717E9
2
Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny Zanak'Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B36C6D0C-0404-4AAF-B6EF-6248B8095041
3
Ary very ny borikivavin'i Kisy, rain'i Saoly. Dia hoy Kisy tamin'i Saoly zanany: Mitondrà zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaingà, ka mandehana hitady ny boriky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|366AA2E3-0478-4E18-B8DC-6366BB07AF17
4
Dia nandeha namaky ny tany havoan'i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin'ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|367F484E-D66E-4444-87C7-08ECF8EBE906
5
Ary nony tonga teo amin'ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin'ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin'ikaky, fa tsy ny boriky intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|807BF410-0716-4CB3-8F1C-FF9A1A9F4A8C
6
Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin'Andriamanitra amin'iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00ED10BA-F400-447A-89DA-9D3365B3497A
7
Dia hoy Saoly tamin'ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin'ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an'ny lehilahin'Andriamanitra; ka inona moa no aty amintsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|461D6BA5-6C35-4F26-956B-BDDD7438F043
8
Dia namaly an'i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, aty an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin'Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E16D856A-D851-410A-975B-2C7739D7C372
9
(Fahiny teo amin'ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7D49C55-1A59-45CA-A451-6F626E8D2A4A
10
Dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin'ny tanàna nitoeran'ilay lehilahin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FD3A0FB-5417-49C4-B349-D650E12722BF
11
Ary raha mbola niakatra teo amin'ny fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EB76420-AC3D-42DC-B30B-47E2939B0204
12
Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon'ny vahoaka ao amin'ny fitoerana avo anio;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0104098-23AC-452E-945C-58434FE6E338
13
ary raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin'ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin'ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa amin'izao no hahitanareo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E7C3227-17E3-4067-8360-D92B93C67554
14
Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin'ny fitoerana avo ka nifanena taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E6BFCC2-1124-4506-9DFE-64B7B350FBF0
15
Ary Jehovah efa nanambara tamin'i Samoela omalin'ny andro nahatongavan'i Saoly ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADB9095F-D67A-4F43-96C5-AA1B040F387E
16
Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho aty aminao ny lehilahy anankiray avy amin'ny tanin'ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin'ny tanan'ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby ety amiko ny fitarainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|539E0001-9460-4CBF-8C56-CBA0A85EAC56
17
Ary nony hitan'i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy*: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin'ny oloko.[Heb. Jehovah namaly azy hoe]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|267135FA-E7DA-47EE-BE3A-EDE61715E2F0
18
Ary Saoly dia nanatona an'i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy ahy ny tranon'ny mpahita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5D2E08F-7358-4EC0-B236-91D7486B714C
19
Ary Samoela dia namaly an'i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A485AE0-E0A2-412A-A49C-BFC260450FEE
20
Ary aza malahelo ny amin'ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an'iza ny zavatra irina rehetra eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75B6935C-6C5F-46A9-97B5-2EF4088A209F
21
Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin'ilay kely indrindra amin'ny firenen'Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin'ny mpianakavin'ny firenen'i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EBC3E11-AB29-46CE-AFF6-B1CBD403B649
22
Ary Samoela dia nitondra an'i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7581720-8000-424F-A5A2-76B87AA58EEF
23
Ary hoy Samoela tamin'ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F0FC151-2A34-4F56-BB98-4811BCFB2D19
24
Dia nalain'ny mpanao nahandro ny soro-kena* mbamin'ny eo aminy ka napetrany teo anoloan'i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin'izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin'izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin'i Samoela androtrizay.[Na: fe]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|624BEC2C-08D7-43E8-961B-EB566525DF86
25
Ary izy roa lahy nidina avy tao amin'ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka tamin'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|049D7BAE-83E8-41AD-A7C2-891D6DA701BA
26
Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D585EC7E-C0FC-4D93-8396-52D91E5CE45D
27
Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanôna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70EEF1C4-5FCA-4687-B3CB-BFB929EDECA5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany