Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa mbamin'ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran'ny tany, ka dia nihena ny rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A8C4059-7887-48C3-8FD4-5FEE04F84A5A
2
Ary tampina ny loharanon'ny lalina sy ny varavaran'ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7951BBE-C696-4674-8218-469CA88A0DF3
3
Ary nihena niandalana niala tamin'ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B83DF5A5-878C-4CF2-A892-E511A53F49EB
4
Dia nipetraka teo amin'ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana fahafito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A37B1D27-3648-410C-BF83-1C41B423EDF0
5
Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin'ny volana fahafolo; tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon'ny tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9249B976-8DBE-4F9E-82B9-3E31C626F3CF
6
Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan'i Noa ny varavarankelin'ny sambo-fiara izay efa nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8136513-929B-4C4F-87DC-83FBE0ECD49F
7
Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin'ny tany iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD585B73-8CDF-4C40-B6D5-B87851D81D75
8
Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin'ny tany, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7E4C07B-D438-41F5-82BD-6DC5DAE97784
9
Fa tsy hitan'i1ay voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny sambo-fiara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3384148-77B8-41AE-B658-579B6A263233
10
Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin'ny sambo-fiara indray izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6308E527-7B01-4C6E-A304-426822DC47D9
11
Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin'oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran'i Noa fa efa kely ny rano tambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB077A4E-2A48-475C-8DF7-7F5B9D146AEA
12
Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09778B22-9D42-40B8-96C9-755BF5D6E079
13
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary nanaisotra ny tafon'ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FA58015-82B8-41CE-BC4A-74734449FEB4
14
Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|967F8B5C-6819-4FBC-A621-1BC449B6FE6E
15
Ary Andriamanitra dia niteny tamin'i Noa ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B562B722-05DB-472B-B1E3-11F83385FE5A
16
Mivoaha amin'ny sambo-fiara hianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7F6BA60-C337-4AB0-9FDA-42412C26EBA5
17
Ary ny zava-manan-aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin'ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin'ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin'ny tany ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|398EDE31-F2E4-45E4-A78C-BF236B58CFF2
18
Dia nivoaka Noa mbamin'ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFAEAE57-45C3-4C97-B790-63D1EB81AC63
19
Ny zava-manan-aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin'ny tany dia samy nivoaka avy tao amin'ny sambo-fiara araka ny karazany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E201E7EF-F7F1-44B8-B82A-104FB48A9C1D
20
Ary Noa dia nanorina alitara ho an'i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin'ny alitara. 8:21 Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin'ny olona Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy hatramin'ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2E9E8E8-EC40-4506-9C2E-6E5B15F95761
22
Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina,ary ny andro sy ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1EF0BAB-CD27-46FE-9A06-3EFF544A6BE7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany