Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia naniraka an'i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak'i Amona ireo sady nanao fahirano an'i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3F0A28F-7ECE-4852-A876-9366C736B784
2
Ary nony harivariva, dia niala tao ampandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon'ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B7C3B2A-4BE1-4EBF-A845-5998963C7C4A
3
Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin'i Eliama, sady vadin'i Oria Hetita?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5252A3BB-386A-4CEA-A8CC-3C2490C01291
4
Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin'ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3305AD7-8D13-4177-8DFD-4985715CA94F
5
Ary nanan'anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin'i Davida hoe: Manan'anaka aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9518B8A-556A-44ED-A871-978C001A22AF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany