Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah naniraka an'i Natana hankao amin'i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C263A14-CAF9-4C6D-B388-EC30ABD6B56A
2
Ilay manan-karena nanana ondry aman'osy sy omby betsaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30F5EC58-E07B-4854-A4D1-D1E3981D12CF
3
fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak'ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin'ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin'ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E64F156E-32F6-4AC8-991E-9861EA1A345C
4
Ary nisy vahiny tonga tao amin'ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an'ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny zanak'ondry vavin'ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro ho an'ilay olona tonga tao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9B290CD-CEB8-4D8D-B514-744B12FD6FB5
5
Dia nirehitra mafy ny fahatezeran'i Davida tamin'izany olona izany, ka hoy izy tamin'i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6513DE92-1764-433D-BF1E-5BF97A7FBA5C
6
ary ilay zanak'ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|352166C1-F16B-4939-9A59-18EB283D0C29
7
Dia hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin'ny tànan'i Saoly;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CD3856C-265F-411A-AA42-F3115805C771
8
ary nomeko anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B2103AF-06EB-494F-B6E4-16C5B7AE5FB5
9
koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE53E3E7-A47C-4D50-A87B-5AAE634DB7CC
10
Koa noho izany dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin'i Oria Hetita ho vadinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D93636C-788C-4569-AC76-1D7B7A0873A1
11
Izao koa no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin'ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin'ny vadinao amin'izao antoandrobenanahary izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB25B5A7-4BB3-4C04-ABA2-4BB9078C3C17
12
Fa ianao nanao izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACD552C7-9E7C-4479-9349-BFCCFA95B9AD
13
Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CDC4E86-87AA-46FA-B41A-B4086371F0BE
14
Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09C31D18-A189-4400-B2C6-5CAB0DD397E8
15
Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida, ka dia narary be ny zaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00447330-FDFB-4905-B09B-480E2F58A274
16
Ary nifona tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin'ny tany mandritra ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE66B285-E938-4E67-ABCB-98D05276C41C
17
Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55CE3F3D-C14B-4F35-8DF9-EA3009AD3DA4
18
Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon'i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan'ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan'ny zaza? fandrao hanimba tena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F5EF4D6-0756-4328-977C-4AC64A7AF1B4
19
Ary nony hitan'i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A0FF599-5D16-4AD7-82B7-3EB5DAFC8BDA
20
Dia niarina tsy nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99779040-408B-4A85-8F89-6FC6BDA1532D
21
Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5912915-3E4C-4C13-B51B-4B980530E161
22
Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E48B13D-FB3E-4315-987F-EFB07A96A288
23
Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina ety amiko intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B4C84FA-7A7E-41F1-A524-9D021DD541AD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany