Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6514B276-013C-4BCB-A4CD-AD12D6752E84
2
Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4589447-F6AF-4FA3-B4E3-21AF6A2CEC17
3
Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6245B219-921C-4F99-A0D4-7C641EF29ADC
4
Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro isan'andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1EF3D31-4062-45BA-8F1F-C0276D481539
5
Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F44F6072-97AE-48E5-9388-5F1EB73262D9
6
Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankaty hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A405002A-D3F6-4E09-9D28-D44032A57A77
7
Ary Davida naniraka nankany amin'i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon'i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF4EEB8C-B325-4E27-A5B6-4D5A4EBE5823
8
Dia nandeha Tamara nankany an-tranon'i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEB3B298-C949-4C32-8F92-388136D9ABE6
9
Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB19C082-046F-4B34-A823-98B6E1BE1E4B
10
Ary hoy Amnona tamin'i Tamara: Ento aty amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin'ny efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|372472A1-F740-4F10-9CDB-AE64D73AAFA0
11
Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F200258-7CD1-41D8-82C3-B96D06B75037
12
Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra* izany ianao.[Heb. fahadalana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72FB97AF-73DE-4782-A7BA-6E9A47C5ABE0
13
Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin'ny adala eto amin'ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin'ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6278D99F-4B6A-4E8B-92C7-2C9303583321
14
Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A2351EE-6C79-4734-B8D5-9E3660AA19CF
15
Ary dia halan'i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D2F6E4E-F4F1-44AF-B1C3-1ECDE756AA6C
16
Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FF52961-6A8F-44C0-A5C5-9BE81A11ECE8
17
Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC0B08BE-A9AD-4595-B812-99D9139B4016
18
Ary niakanjo akanjo lava* razazavavy; fa izany no fanaon'ny zanakavavin'ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan'ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.[Na: akanjo misoratsoratra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|761A6C99-77C8-448C-8A57-E006B45FBA1E
19
Ary nasian'i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFF62742-7E8B-4692-8CD8-72E363E7AE43
20
Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangina ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon'i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2F5D5DB-9B02-4EB3-9FB2-471B8B3159BA
21
Fa nony ren'i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA4B1CAC-1D0A-4487-BC5D-C1D4D943B2FB
22
Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin'i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan'i Absaloma izy noho ny nisavihany an'i Tamara anabaviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2752E3D6-0E2D-47B3-8457-34CE8E0F79C4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany