Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6514B276-013C-4BCB-A4CD-AD12D6752E84 2 Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4589447-F6AF-4FA3-B4E3-21AF6A2CEC17 3 Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6245B219-921C-4F99-A0D4-7C641EF29ADC 4 Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro isan'andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1EF3D31-4062-45BA-8F1F-C0276D481539 5 Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F44F6072-97AE-48E5-9388-5F1EB73262D9 6 Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankaty hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A405002A-D3F6-4E09-9D28-D44032A57A77 7 Ary Davida naniraka nankany amin'i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon'i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF4EEB8C-B325-4E27-A5B6-4D5A4EBE5823 8 Dia nandeha Tamara nankany an-tranon'i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEB3B298-C949-4C32-8F92-388136D9ABE6 9 Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB19C082-046F-4B34-A823-98B6E1BE1E4B 10 Ary hoy Amnona tamin'i Tamara: Ento aty amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin'ny efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|372472A1-F740-4F10-9CDB-AE64D73AAFA0 11 Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F200258-7CD1-41D8-82C3-B96D06B75037 12 Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra* izany ianao.[Heb. fahadalana] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72FB97AF-73DE-4782-A7BA-6E9A47C5ABE0 13 Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin'ny adala eto amin'ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin'ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6278D99F-4B6A-4E8B-92C7-2C9303583321 14 Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A2351EE-6C79-4734-B8D5-9E3660AA19CF 15 Ary dia halan'i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D2F6E4E-F4F1-44AF-B1C3-1ECDE756AA6C 16 Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FF52961-6A8F-44C0-A5C5-9BE81A11ECE8 17 Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC0B08BE-A9AD-4595-B812-99D9139B4016 18 Ary niakanjo akanjo lava* razazavavy; fa izany no fanaon'ny zanakavavin'ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan'ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.[Na: akanjo misoratsoratra] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|761A6C99-77C8-448C-8A57-E006B45FBA1E 19 Ary nasian'i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFF62742-7E8B-4692-8CD8-72E363E7AE43 20 Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangina ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon'i Absaloma anadahiny Tamara sady ory. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2F5D5DB-9B02-4EB3-9FB2-471B8B3159BA 21 Fa nony ren'i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA4B1CAC-1D0A-4487-BC5D-C1D4D943B2FB 22 Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin'i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan'i Absaloma izy noho ny nisavihany an'i Tamara anabaviny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2752E3D6-0E2D-47B3-8457-34CE8E0F79C4 23 Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an'i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60C3D412-A8AD-43B8-93F6-D96345E46BFF 24 Ary nankao amin'ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52054686-6FF5-4F03-B638-63E2C8891268 25 Fa hoy ny mpanjaka tamin'i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8235768-01E0-4C2E-AE4B-E8F3F35F8E6D 26 Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71D7C0BF-5E9B-4996-ADBC-9B4677B9F9B5 27 Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00C5D1C1-6AAB-4624-B38B-5545A0DFFCC1 28 Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon'i Amnona azon'ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|627AB35E-4EB7-4D1B-B45C-BDAA2F9F91FE 29 Ary ny zatovon'i Absaloma nanao tamin'i Amnona araka ny teny nomen'i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4FBD1D3-D1DA-4B1B-987D-A0959C44237F 30 Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin'i Davida ny filazana hoe: novonoin'i Absaloma avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|107D0598-8CAF-41B3-AE03-B10F4B97AAD3 31 Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin'ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50E95CB1-511C-4EDC-8593-A458122306E1 32 Ary Jonadaba, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin'ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin'ny andro nisavihany an'i Tamara anabaviny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58B74962-BA9C-457F-8A7D-0EAD8FB32E10 33 Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF88E6A4-48C2-4C1B-ABBF-37929F93C118 34 Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan'ny tendrombohitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3C62602-BD69-484E-9842-8164F92407BE 35 Ary hoy Jonadaba tamin'ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin'ny mpanjaka, dia araka ny nolazain'ny mpanomponao tokoa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F73B5FAE-A533-4553-8B97-3A310D53B632 36 Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin'ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|105956C0-6D5D-4C54-B601-91DD919F0A2B 37 Fa Absaloma nandositra nankany amin'i Talmay, zanakalahin'i Amihoda, mpanjakan'i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E62BBD8F-7D65-42D0-BFC9-B5686B1629D3 38 Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0A8FFFA-500F-46F7-9EFC-32976DFC8D44 39 Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin'i Absaloma*; fa nionona izy noho ny amin'i Amnona, satria efa maty izy.[Na: Koa izany no nisakana an'i Davida mpanjaka tsy hivoaka hamely an'i Absaloma] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6710DF0-D19D-4AD9-9532-6BD2B73A4282
|