Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Joaba, zanak'i Zeroia, nahalala fa ny fon'ny mpanjaka nalahelo an*'i Absaloma ihany.[Na: mbola tezitra tamin']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58E97331-F588-43AE-A365-765C7C75EA0E
2
Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|745904F2-93AA-4C41-A8D6-BAF526409BFB
3
dia mankanesa ao amin'ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen'i Joaba teny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F67883C-1B23-4E45-8AAF-C2E0C4CCC859
4
Ary nony niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin'ny tany izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88B54D08-2EE1-4F74-83F5-788F6D5ADC0F
5
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa maty vady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79282900-7C0C-474A-935E-B80575F028F1
6
Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEB4D991-0CCC-4D44-A29F-81296E273550
7
Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an'ny vadiko ety ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76B19E5D-6335-40C3-9CD9-859656292ABF
8
Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D654C4B-18C7-4C26-8983-2529C41197A3
9
Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|324386AC-FDA0-4F54-9D58-A58DD56D42D3
10
Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento ety amiko, dia tsy haninona anao intsony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E867E215-3530-49ED-B9AD-3FA48C8D8600
11
Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin'ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin'ny zanakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44F5B083-FF06-4414-83F1-A09F41E2E823
12
Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin'ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03CEBE14-B900-4DD7-84B5-0241D4EEF9E9
13
Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon'Andriamanitra? Fa amin'ny, itenenan'ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian'ny mpanjaka ilay noroahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA15679F-B2A1-4995-9886-CD54CF3CF763
14
Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin'ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain'olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69A05458-3822-4FD8-81A1-86C26E10D997
15
Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin'ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin'ny mpanompovaviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BEC8A92-86B2-4847-88FA-B13EE78A4944
16
Eny, ny mpanjaka hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin'ny tanan'ny lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin'ny zanako hiala amin'ny lova nomen'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|903AC1CF-FC8B-4071-ABA0-02967AEFC24E
17
Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin'ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3100B3D-28E3-41B0-9D03-F97C63EF5108
18
Ary ny mpanjaka namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D60D46C7-1827-4132-AEC6-1AB73AD4FDCB
19
Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen'i Joaba va izany rehetra lazainao izany*? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain'ny mpanjaka tompoko na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.[Heb. Moa ny tànan'i Joaba va no aminao amin'izany rehetra izany?]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46653489-87F0-411F-8B19-7355240D9854
20
Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin'Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra ety ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AAFB274-089F-4B51-A00B-5512D3C155FF
21
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha, alao hody Absaloma zatovo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D03E88B5-BCAE-4BB4-8218-BD0126BAF075
22
Dia niankohoka tamin'ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran'ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny nanaovan'ny mpanjaka araka ny nangatahin'ny mpanompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B518F0F-3353-444D-9EB7-1DB27007E123
23
Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0ABCACC7-58F2-4A01-A8E1-1E470FEEE739
24
Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0DE85B0-B0C2-4E73-8412-2DB9234FEEEA
25
Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an'i Absaloma teo amin'ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AB79001-2AC1-4B78-8AB8-D0E47DF8F097
26
Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan'ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB10978C-10C1-4C7A-BCE0-34C7B1D2DC61
27
Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3CDBE6C-9B8E-49D7-9DE8-EF5EE3944556
28
Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan'ny mpanjaka ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38B3C8EF-F560-4197-9DD7-EC547AD5670B
29
Ary Absaloma dia naniraka tany amin'i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin'ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa mbola tsy nety nankany ihany Joaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FF3A9BC-F9BE-4E57-AF36-8D19BE1FA605
30
Koa dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin'i Joaba mifanolotra amin'ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin'ny afo izany. Ary ny mpanompon'i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FEC2927-03DA-45E1-9973-26AFC253DDCE
31
Ary Joaba niainga nankany amin'i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin'ny afo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F281090-138D-4434-AAAB-E3270E45E23D
32
Fa hoy Absaloma tamin'i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa aty hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17370BFF-708F-4842-8FEF-BAC71DD4077C
33
Ary Joaba nankany amin'ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain'ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka; ary dia nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17DADE48-7E0E-46D4-8CF3-46FCEA5EF33C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany