Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia tonga tao amin'i Davida tao Hebrona ny firenen'Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D06E9EE6-E5D7-49F4-B3C0-334ECF8B7728
2
Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3F1B4FA-31BF-48DA-9039-CA56EA3F3679
3
Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20BCE981-BF31-4F4A-9A71-790DC3F7DAE5
4
Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AED7C63C-F72F-475D-88AE-EB519189C6CF
5
Tao Hebrona no nanjakany tamin'ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2C9E205-F990-4F30-BF1A-EC861C0A6F5D
6
Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe*: Tsy ho tafiditra eto Davida.[Na: ary ny heviny tamin'izany dia toy ny manao hoe:]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2925C4D5-1317-41C5-B8D7-4132C7D9A19B
7
Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D53810E0-F321-4731-9890-C884A85A360E
8
Ary hoy Davida tamin'izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin'ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan'ny fon'i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|875A6167-D3F9-42C5-A2D5-0A8000839E94
9
Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan'i Davida. Ary narafitr'i Davida ny manodidina hatrany Milo* mbamin'ny ao anatiny.[Heb. fiarovana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3763A633-2338-477D-9604-E8448287121C
10
Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|735ADBCE-3273-48F9-A16C-BB53167F3A1F
11
Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an'i Davida ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC3B1D30-FE12-4E9F-9809-85EF4BD74A96
12
Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|858B9FDA-1D7C-44F7-A5A3-E83CE74C640B
13
Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC76B535-8429-404D-89CF-A5ADA1EABEE4
14
Ary izao no anaran'ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|328F4849-9FCF-4AD2-A541-BF0EB925E959
15
sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|697E8B77-8DE0-4204-9815-DD431C0CA01A
16
sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13F4DA01-C58C-4DE3-8862-A13A3E963BF4
17
Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CDC4AA2-DE39-4465-8ED1-62248F4C2BD0
18
Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9A45E8C-E71D-4480-B58A-7BD440100BEC
19
Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73878A28-ACDA-4635-861E-D5F1B9088940
20
Ary Davida tonga tao Bala-perazima* ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13C9E3AD-29E6-40CF-A826-F7905DC1B2F3
21
Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan'i Davida sy ny olony ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|684B04C3-0151-42CE-A835-22B1229A98BE
22
Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32A19402-53B4-4EDD-8DE3-9EAFE67CF068
23
Ary nanontany tamin'i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97CEF380-0BA0-4C0B-B89F-28A6127F80E6
24
Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan'ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE5E2B4D-3299-4B1E-85EE-1FFF8F9053EB
25
Ary dia nanao araka ny nandidian'i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin'i Gazera izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BEFDDF0-5C6D-42FC-BAC6-1D53904AD2B1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany