Andininy
Protestanta Malagasy
5
Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao va no hanao trano hitoerako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C78C0AB9-B1DF-4C46-AEFD-6628C7768956
6
Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby* sy nifindrafindra toerana**. [*Heb. lay][**Heb. tabernakely]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2321F5B-C929-4F1D-8A98-8FB87E971C17
7
Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Zanak'Isiraely, moa nisy nitenenako akory va ny firenen'Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DADF1775-02F8-4ED2-AEBF-94A8271FDAAA
8
Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89C2ED42-A9B0-4B89-A0D2-9C7747FCC914
9
Ary nomba anao tamin'izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E48D672-FD35-4141-A7CF-FDFDD557F255
10
Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B79849ED-7CD8-4672-BF9B-69C420CE6398
11
sy tahaka ny hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana* anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka** ho anao Izy.[*Heb. nampiadana][**Heb. hanao trano]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB38E60C-8C75-42A4-B7E3-95D1AC35EB68
12
Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|789F8E19-0C48-43AB-B10E-D5E07E028B97
13
dia io no hanao trano ho an'ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany ho mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAA99207-FD25-4107-ABFF-06039F04855C
14
Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4258CA6F-F2E8-454A-A30B-0885F4F0F7FD
15
nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB7BA954-6235-4127-96E6-83B282D2BDD7
16
Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A649331-B840-47C7-A579-DD092D956245
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany