Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79E83D64-4F13-4F9F-B281-EBC7CD2AB792
2
Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin'izy nandositra niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2492B9D1-21D6-4751-B810-5D18655BA94D
3
ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CC78059-707F-4D03-8771-E32C350C441F
4
Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6CC34E3-CE9A-4E07-94DD-A71C425B07C7
5
Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa aty amiko indray. Dia lasa ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FE95145-1A46-4BF7-A270-7153BE493ABB
6
Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66F57941-90A3-4689-A2D6-BE80285E61AD
7
Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon'ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6C9A1BB-C7AE-4F21-8E36-A6F788A4CFCE
8
Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D46B4D1F-7474-4D34-9781-A1D8137CE1ED
9
ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6D8D040-09D1-4948-BD1B-6AD09DE4C754
10
Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D59048BC-1EFC-4E4A-943A-265F1662B7B0
11
koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E577DB3-C7D3-4059-9555-4CE87131146A
12
Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa aty amiko indray amin'ny andro fahatelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|534473E2-0315-4613-A231-A17BEB990A83
13
Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny saina nomen'ireo zoki-olona azy izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9010CF31-31EF-41C5-B82F-1987CCC406C5
14
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21B524D3-09B6-4B9E-895F-5A288A64177B
15
Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94EC9C0C-40D4-41A3-8731-F3B040C8A489
16
Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4588CD07-D8FD-40D1-A2AD-05499F51F151
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany