Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79E83D64-4F13-4F9F-B281-EBC7CD2AB792
2
Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin'izy nandositra niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2492B9D1-21D6-4751-B810-5D18655BA94D
3
ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CC78059-707F-4D03-8771-E32C350C441F
4
Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6CC34E3-CE9A-4E07-94DD-A71C425B07C7
5
Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa aty amiko indray. Dia lasa ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FE95145-1A46-4BF7-A270-7153BE493ABB
6
Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66F57941-90A3-4689-A2D6-BE80285E61AD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany