Andininy
Protestanta Malagasy
29
Ary Ahaba, zanak'i Omry, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|081D473E-117C-4B54-8961-6EDC43A83C06
30
Ary Ahaba, zanak'i Omry, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4ED9E95-DE3C-4F47-B6C8-40225563CEE3
31
Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata. ka dia nampakatra an'i Jezebela, zanakavavin'i Etibala, mpanjakan'ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an'i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D53D3454-8C34-4F07-A2F8-DB2C25E99C64
32
Ary nanao alitara ho an'i Bala tao amin'ny tranon'i Bala izay nataony tao Samaria izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5FD2AA7-EAF8-45C4-97F7-5D9FE2F6BCA0
33
Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra izay teo alohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16F2F7E5-2E60-485F-8469-4B247F9706B0
34
Tamin'ny andron'i Ahaba no nanorenan'i Hiela Betelita an'i Jeriko; ny ain'i Abìrama lahimatoany no sazin'ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sazin'ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Josoa, zanak'i Nona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39AF36D0-7094-4461-B5E6-E11292EF5517
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany