Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDC37BBC-4955-42EF-B7E7-0D82BB94AC14 2 Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75CEC82B-6A1E-4ECE-B3C0-A6E00F9A69E4 3 Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95BD600D-7C15-44E1-B601-1305C246A142 4 mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95BD4E64-354C-4B1E-9833-12E941514C1E 5 Ary ianao koa mahalala izay nataon'i Joaba, zanak'i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy komandin'ny miaramilan'ny Isiraely, dia tamin'i Abnera, zanak'i Nera, sy tamin'i Amasa, zanak'i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin'ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin'ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47155F13-0BA3-4D34-90B7-678E89A1279A 6 Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin'ny fiainan-tsi-hita* amin'ny fiadanana ny volo fotsiny.[Heb: Sheola] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|935BEE10-C155-48AC-8D35-FCC43C6A091F 7 Fa ny zanak'i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan'izay mihinana eo amin'ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan'ireo tany amiko, fony nandositra an'i Absaloma rahalahinao aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4043E8F5-1D4F-40E2-85C0-BE810214EC78 8 Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin'ny sabatra ianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|286553D5-39EA-460C-85EB-27CBBF4D23A6 9 Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin'ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin'ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|592BA527-C42F-4D86-9662-D551A1F3788C 10 Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany ka nalevina ao an-Tanànan'i Davida. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78B0E89D-95DB-4366-871D-A7D92B4A8832 11 Ary ny andro nanjakan'i Davida tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F26CC6B-4001-4A55-B991-677407C06120 12 Ary Solomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|171BD656-DB45-4BE5-8A51-6E34AF0FDDBE 13 Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nankany amin'i Batseba, renin'i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C453A2D-D2B5-4800-98B0-6C064462B24D 14 Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85505D53-7094-49AA-9CE2-B1632EEE8D95 15 Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa azony avy tamin'i Jehovah. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51D4B5A7-D48D-40E6-B1AF-E2FB720EF3BF 16 Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF222830-252B-4A48-A9ED-1917971262CF 17 Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin'i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy). mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EACAAD07-FE19-424F-8A80-6CBB925AF0F6 18 Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin'ny mpanjaka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C368A360-626A-4C82-BEEF-430C2D193CAA 19 Ary Batseba nankany amin'i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin'i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an'i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an'ny renin'ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin'ny ankavanany izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8DCAFAD-D09A-405D-9535-14E19F93CB0E 20 Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F556478-A748-4DD6-9B6D-84E6F75212F7 21 Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin'i Adonia rahalahinao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30EF8DD8-3323-49DB-BE5D-9303A0C59A6A 22 Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga Sonemita ho an'i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba, zanak'i Zeroia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A97E8419-DBC6-4E16-8F69-AC490EC6EA4C 23 Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin'i Jehovah hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99EFD0C8-26FD-4D55-8B96-A9A917814852 24 Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby* araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.[Heb. nanao trano ho ahy] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E245925B-99FC-4529-8BD0-3C71872FB650 25 Ary Solomona mpanjaka naniraka an'i Benaia, zanak'i Joiada; ary izy namely azy ho faty. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20A68911-C879-4E06-8D5A-6D9FDC913920 26 Ary Abiatara mpisorona dia nilazan'ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin'izao andro izao. satria nitondra ny fiaran'i Jehovah Tompo teo alohan'i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin'ny raiko tamin'izay rehetra nampahoriana azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38F26FC2-0F89-4C8B-82BA-57CF9C3FD5E3 27 Ary Solomona dia nanongana an'i Abiatara tsy ho mpisoron'i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin'i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin'ny taranak'i Ely, izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9425395B-A19E-4341-9F00-D4FA281AB526 28 Ary ren'i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an'i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an'i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin'ny trano-lain'i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|014E0A90-2920-451B-88E5-202FE05D1DE9 29 Ary nambara tamin'i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin'ny trano-lain'i Jehovah, ka, indro, eo anilan'ny alitara izy. Dia nirahin'i Solomona Benaia, zanak'i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83B6FD14-D2CD-472F-9651-1E12AB247C63 30 Ary Benaia tonga tao amin'ny tranolain'i Jehovah ka nanao tamin'i Joaba hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin'ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain'i Joaba, ary izany no navaliny ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FDE6664-4C9B-4946-993E-FC10605538C6 31 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak'i Joaba. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E6B8B88-65D5-4913-920D-BDE765EA3E1F 32 Dia hatsingerin'i Jehovah ho amin'ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin'ny sabatra, dia Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'ny Isiraely sy Amasa, zanak'i Jatera, komandin'ny miaramilan'ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEA936F2-9313-4F5E-81CC-2394558AA33E 33 Eny, ny ran'izy roa lahy ireo hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny lohan'ny taranany mandrakizay; fa amin'i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin'ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin'i Jehovah. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|679BC8D8-1C3E-43D9-89CC-42CF3E2BA1E1 34 Dia niakatra Benaia, zanak'i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin'ny fonenany tany an-efitra izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84F07225-B5ED-41C7-8CDE-185AC51E7669 35 Ary Benaia, zanak'i Joiada, no notendren'ny mpanjaka ho solony ho komandin'ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren'ny mpanjaka ho solon'i Abiatara. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B914819-9821-4818-A012-3852DE123837 36 Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DFFF681-A905-435E-8251-1506D85944BB 37 Fa amin'izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin'ny lohanao ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A3FEEDE-1CCB-4DC5-9830-BA9B1567FE42 38 Ary hoy Simey tamin'ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain'ny mpanjaka tompoko Izany no hataon'ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra ela tany Jerosalema. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23A21B75-ACA1-49FD-85FC-FF47CBD19F17 39 Ary nony afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy mpanompon'i Simey, nandositra ho any amin'i Akisy, zanak'i Maka mpanjakan'i Gata. Ary nisy nanambara tamin'i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA0C59E5-2CC2-478E-8A20-D5FBA20BF5BE 40 Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin'i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8897BE72-42DA-47F9-827E-4ACA2DB9D12C 41 Ary nambara tamin'i Solomona ny nialan'i Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany indray. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A82C6E48-1024-4C39-A737-1EB38CDAC62C 42 Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin'i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin'izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA92B3B2-048C-4B4D-8158-17155499F5B5 43 Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin'i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12907711-B7F8-4DE1-AE3D-EB757C67D861 44 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin'i Davida raiko, eny, tsaroan'ny fonao izany, ka dia hatsingerin'i Jehovah amin'ny lohanao ny haratsianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1832DF2-4B4E-4481-A87A-DD5AD48F65C9 45 Fa hotahina kosa Solomona mpanjaka, ary ny seza fiandrianan'i Davida hampitoerina eo anatrehan'i Jehovah mandrakizay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9FEBB0D-9BBA-4258-B9A5-2DCA1BE10AFF 46 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Benaia, zanak'i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an'i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan'i Solomona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5529111C-CF1C-46BE-BF96-D4CF283AE4F9
|