Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6748F9F4-B799-48D6-868E-D1C65EC8872C 2 Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak'i Zadoka, no mpisorona*; [Na: zanak'i Zadoka mpisorona] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C238FFD-BD64-4E73-948E-306348B48DBB 3 Elihorefa sy Ahia, zanak'i Sisa, no mpanoratra; Josafata. zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26D8F80B-8D76-4D95-9165-507B79AF535C 4 ary Benaia, zanak'i Joiada, no komandin'ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86487282-63BF-4A46-B2E0-194696FBAC26 5 ary Azaria, zanak'i Natana, no lehiben'ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak'i Natana, no mpanolotsaina*, sakaizan'ny mpanjaka, [Heb. mpisorona] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6DEA145-521B-444F-86E8-D8D840A5B68E 6 ary Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak'i Abda, no komandin'ny mpanao fanompoana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7646B3CC-97CD-4B97-A67E-0A2544EDBA91 7 Ary Solomona nanendry roa ambin'ny folo lahy ho amin'ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin'ny herintaona izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF21D60F-A105-4B7A-AFA8-78E8E4E7A7EA 8 Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin'ny tany havoan'i Efraima; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B2D9409-73B2-437A-8BF1-8F717D35829E 9 Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF48C448-2EEB-41E4-8E7E-D095C9C8C25B 10 Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D5B489E-19FB-4D4D-B111-B9DBB54F1152 11 Ben'abinadaba tao amin'ny havoan'i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin'i Solomona, no vadiny); qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F14D6A9-4EC1-46A9-90F5-989AE77C258C 12 Bana, zanak'i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan'i Zaretana, ambanin'i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr'i Jokneama no azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBAA2F8D-657F-40F5-A678-E8AE07931410 13 Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an'i Jaïra*, zanak'i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina; [Havota-jaïra; izahao Nom. xxxii. 41] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A42E0EF-3FD3-447D-9A9C-FC3093ADD44D 14 Ahinadaba, zanak'Ido, tany Mahanaima; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F134406-46CC-48F2-AB91-F87CEAD4B291 15 Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an'i Basemata, zanakavavin'i Solomona; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07AD47A5-91FF-4874-B520-6D3DA0C4140A 16 Bana, zanak'i Hosay, tany Asera sy Alota; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8A5C1FF-E851-464D-8378-7775CCA45ABA 17 Josafata, zanak'i Paroa, tany Isakara; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6ECF9C3C-F33C-4942-B96B-0E9C75A4D72D 18 Simey, zanak'i Ela, tany Benjamina; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81CD60CA-584A-44E3-9EFA-8FC6095B85BF 19 Gabera, zanak'i Ory, tany amin'ny tany Gileada, tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin'izany tany izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A23ADD8B-9962-409B-9B94-8C514430F4F0 20 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|058298F9-5FFF-4479-AE43-6C2B8AF7F451
|